Fifidianana ao Moramanga

Misy miketrika «Odonnance » 2000 isa mampiahiahy…


  • Zoma 29 Novambra 2024

Kandida iray sy ny talen’ny fampielezan-kevitra ary ny « mandataire » ao amin’ny distrikan’i Moramanga

no tonga nanamarina teny anivon’ny Kaominina sy ny fokontany, ka hita tany amin’ny bokin’ny kaominina ireo olona tokony hanao « dépôt de signature » fa olona iray avy amin’ny antoko volomboasary no nameno an’ilay izy tao, raha ny loharanom-baovao akaiky ilay kandida sy ny mpiara-dia aminy. Io no voalaza fa niteny mpiasan’ny kaominina hanao an’ilay izy fa ho avy eo ny olona hanao sonia. Rehefa nojerena tao dia tena betsaka ny anaran’ilay olona, afak’omaly misy 1000 ary omaly nisy 1000 hafa indray, hoy ny loharanom-baovao. Nitohy tany amin’ny tribonaly ny fitsirihana nanamarinana izany, ary naka vadin-tany hiraketana ny zava-misy, raha ny vaovao vonjimaika azo avy tany an-toerana. Andrasana ny tohiny sy ny tatitra na fanazavana ofisialy mikasika ity toe-javatra ity izay endrika mampiseho sy mampiahiahy amin’ny mety ho fahalotoan’ny fifidianana, ary ahiana ho tsy tranga maningana. Tahaka izao no mety ho endriky ny fampiasana mpikaraman’ady ara-pifidianana na « mercenaires des votes » ! Andrasana ny fanazavana ofisialy !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT