Fifidianana ao amin’ny Boriborintany faha-6

Poa-droa no fanambin’ny depiote Todisoa sy ny vahoaka


  • Talata 14 Mey 2024

Nentina am-bavaka sy notsofina rano teny amin’ny EKAR Anosisoa Ambohimanarina ny alahady teo mba hahaleo

hahalasana amin’ny finiavana hanohy ny fandraisana adidy amin’ny firenena amin’ny alalan’ny fifidianana ny depiote Todisoa Andriampandry sy ny mpiray lisitra aminy ny alahady teo. Nankasitraka ny Mopera a an-toerana sy ny mpiara-mivavaka rehetra ny tenany, ary nandritra io ihany koa no nanolorany simenitra 1 taonina ho an'ny Fiangonana amin'ny asa fanitarana. Ankoatra io, nitohy ny fampielezana-kevitra, izay nafana hatrany izay rehetra naleha. Nisy ny fiaraha-nientana niaraka tamin’ireo Fikambanan'ny Vehivavy TIM sy Firaisankina ary ireo fikambanana hafa izay resy lahatra niara-paly sy nikorana ary nomena toromarika teny amin’ny Kianja Todisoa Ambatolampy ny alahady teo. Vehivavy aman‘arivony no tonga ary ny tanjona dia fandresena miezinezina dia ny ho poa-droa. Nidina ifotony teny Ambohimiadana atsimo, Ambohimiadana avaratra, Anjanakomboro Ambohimanarina, ka nampahatsiahy sy nitanisa ny zava-bita rehetra. Vahoaka maro no resy lahatra sy nandray tamim-pitiavana sy hafaliana, ka mbola niverina indray ny fifanomezan-toky avy amin’ny vahoaka. Poa-droa tsy misy resaka ary tsy hamelatsika io e! hoy ny vahoaka. Torak’izany ihany koa ny teny Avaratetezana sy Amboavahy Ambohimanarina. Faly sy ravo ireo vahoaka tonga marobe, sady nisaotra noho ireo foto-drafitrasa vita teny an-toerana. Mitaraina ireo vahoaka izay nandehanana ny amin'ny vidim-piainana tsy zaka intsony sy fihenan'ny fahefa-mividin'ny Malagasy, hoy kosa ny fanamarihan’ny depiote Todisoa Andriamampandry. Naneho ireo vahoaka fa vonona hampandany ny Laharana faha-6 izy ireo izay fantany fa hahavita hiaro azy, hitsinjo azy ireo ary koa hampandroso hatrany an'Ambohimanarina.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT