FIFIDIANANA AO AMBOHIDRAPETO

Hiaro ny vaton’ny Kandida Mihary ny vahoaka…


  • Alatsinainy 09 Desambra 2024

Tsy hisangy fa ho hentitra hiaro ny vato azon’ny Kandida laharana faha-4 Mihary Andriantsilavo

natolotry ny antoko Tiako I Madagasikara ao anatin’ny Kaominina Ambohidrapeto, distrikan’Atsimondrano ireo mpiara-dia aminy. Efa mivonona tanteraka amin’izany izy ireo ary fantatra fa tsy hitsitsy ireo tratra manao hosoka. Mian-dahy miam-bavy mihitsy izy ireo no hifanome tanana hanatanteraka izany raha araka ny fanazavan’ity Kandida natolotry ny antoko Tiako I Madagasikara ity. Nomarihiny manokana moa fa nizotra an-tsakany sy an-davany ny fampielezan-kevitra nataon’izy ireo na dia nisy aza ny gafigafy nataon’ny sasany. Anisan’izany ny fandrovitana tsy mitsahatra ny afisy izay napetany sy ireo mpiara-dia aminy izay nomarihiny fa voasolo hatrany. Marihina moa fa anio Alatsinainy 09 Desambra vao hifarana ny faradoboka tanterahin’ity Kandida ity. Natombony tamin’ny diabe namakivaky ny tanana izany afak’omaly Sabotsy 07 Desambra. Nitohy tamin’ny lalao baolina kitra niadiana ny amboaran’ny vidin’omby notanterahin’ireo tanora izany omaly Alahady ary hofaranana amin’ny fanentanana ny mpifidy feno 18 taona rehetra ao Ambohidrapeto anio Alatsinainy 09 Desambra mba ho avy handrotsa-bato avokoa amin’ny datin’ny 11 Desambra ho avy izao. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fanentanana azy ireo mba hiaro ny safidiny.
Pati
Legende : Nanana dihy manokana tahaka izao mihitsy ireo mpanara-dia ny Kandida Mihary Andriantsilavo !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT