Mafampana ny fifanandrinana politika ao Ambatofinandrahana.
Mandeha ny fomba rehetra hoentina manao izay tsy hahalany an-dRtoa Chrtistine Razanamahasoa ho depiote. Manahirana ny fitondrana, ary hanaratsy endrika azy ny hoe : olona efa naongana kanefa mbola naverin’ny vahoaka. Mirona makany amin’izany anefa ny sary politika mitranga any an-toerana amin’izao fotoana izao satria arakaraka ny nanenjehana azy no vao mainka mampihetsika ny hambom-pon’Ambatofinandrahana hamerina azy ho depiote indray. Nitambatra ho ao an-damosiny ny herivelona samihafa, tsy nandrotsaka kandida ny vovonan’ny mpanohitra fa nisafidy ny hanohana azy, ary olon’ny TIM rahateo no lisitra faharoa miaraka aminy, izay ny vahoaka ihany koa no nisafidy sy nanolotra an’io. Andaniny kosa, mandeha ny angaredona avy amin’ny ankolafin’ny fitondrana manao izay fomba rehetra hampandaniana ny kandida IRMAR Richard Razafindrabary. Taorian’ilay kabarin’ny Tale Kabinetran’ny CENI izay voalaza ankehitriny fa efa nametra-pialana nilaza fa hanao izay mety hampandaniana io kandida io, dia nanao bemidina tany Ambatofinandrahana ity farany, ny mpampankateniny jeneraly eo anivon’ny Antenimierandoholona, ny Filohan’ny AFF Rtoa Haingo Ravatomanga,… Miharihary ny tanjona dia ny handresena an-dRtoa Christine Razanamahasoa ka asa izay ho sary mitranga ao Ambatofinandrahana hoe : horesena ara-taratasy sy eny an-databatra ao amin’ny CENI sy ny HCC tahaka ny efa nanonganana azy ve izany ny Filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha ? Hanao ahoana ny ho fihetsiky ny vahoakan’Ambatofinandrahana raha izay no sary hitranga ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.