Fifidianana amin’izao endriny izao

Na ny eto an-toerana na ny iraisam-pirenena tsy dia resy lahatra…


  • Alatsinainy 23 Oktobra 2023

Miharihary tanteraka ny fisian’ny tsy fahatomombanana raha tena hizorana ny fifidianana kasaina hatao amin’ny 16 novambra ho avy izao.

Tsy takona hafenina ny lesoka goavana na ara-politika na ara-teknika, izay manamafy fa vao mainka hampidi-kizo ny firenena ny fanaovana tery vay manta an’io. Ara-politika, ny 90%n’ny kandia no manatsikafona ny teti-dratsy ara-politika amin’ny fanomezana tombondahiny kandida iray izay hita taratra amin’ny endriny maro: fahafahan’ny kandida efa nanary ny zom-pirenena Malagasy kanefa mbola afaka milatsaka, fitongilanan’ny governemanta, fampitanilana ny fitantanan-draharaham-panjakana, herisetra politika miseho amin’ny endriny maro,… Hatramin’ny sehatra iraisam-pirenena manamafy ny ahiahy eo anatrehan’ny trangan-javatra maro: herisetra, tsy fanajana zon’olombelona, fa fanitsakitsahana ny zo fototra maha olona, tsy fanajana ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zo sivily sy zo politika nosoniavin’I Madagasikara. Ara-teknika, mbola mitoetra ny tsy fahatokisana ny lisi-pifidianana, ny rafitra mpikaraka sy mpitsara ny fifidianana,… Raha ny fifidianana nifanesy teto, iray volana mialoha na alohan’izany aza, dia efa tena eny an-kianja ny mpanara-maso eto an-toerana sy iraisam-pirenena, tahaka ny fifidianana solombavambahoaka nialohan’ny fotoana ny taona 2002, ny fifidianana filoha ny taona 2006, 2013, 2018. Aiza ry zareo amin’izao? Ny iraisam-pirenena tsy dia tazana na manara-maso akaiky ny toe-draharaha aza ny Fianakaviambe iraisam-pirenena? Ny iraka avy amin’ny SADC izay tarihin’n Filoha Tanzanianina aza ambaran’ireo kandida fa sakanan’ny Fanjakana amin’ny alalan’ny governemanta tsy ho tonga eto hatramin’izao satria efa in-telo nihemotra ny fahatongavany satria voalaza fa tsy mivoaka ny “accreditation” avy amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiany. Ahiana ho tetika hoenti-manamafina ny olana sy ny tena zava-misy eto na efa tsy takona hafenina intsony aza. Midika ny zava-misy fa tsy izy mihitsy ny fifidianana kasaina atao eto Madagasikara na eo amin’ny fomba fijery nasionaly na iraisam-pirenena.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT