Politique

Fifidianana amin’ny 20 marsa : Mampiady an-trano ny mpanohana an-dRajoelina


  • Zoma 22 Janoary 2010

Manomboka sahady ny fifampialonana sy ny ady seza eo amin’ny samy mpanohana ny tetezamita. Mandeha ny resaka ankehitriny fa Minisitra 2 eo anivon’ny governemanta no ambaran’ny mpiara-miasa sasany amin’i Andry Rajoelina ao amin’ny HAT fa tokony hesorina amin’ny toerany.

 

Ny antony moa dia satria tsikaritra fa efa nihetsiketsika hatry ny ela nanao propagandy mialoha ny fotoana ary efa nitety faritra maromaro manerana ny nosy izy mirahalahy ireo. Anisan’ireo mety ho kandida amin’ny 20 marsa ireto Minisitra ireto, ary manao izay tatry ny heriny amin’ny fanomanana izany. Atoa isany Augustin Andriamananoro, Minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny teknolojia avo lenta, sy Atoa Julien Razafimanazato, Minisitry ny fampianarana, moa no voatonontonona amin’izany resaka izany. Araka ny feo mandeha ihany dia ny sasany amin’ireo lehiben’antoko mivondrona eo anivon’ilay UDR (Union des républicains et démocrates), vao nijoro tamin’ny Talata lasa teo, no mitaky ny fanesorana ireto Minisitra 2 ireto. Efa nanangana karazana vovonana iray lehibe, izay nampahafantarina teny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, ihany koa mantsy tamin’ny herinandro lasa iny ireto minisitra ireto, niaraka tamin’ireo mpiara-dia aminy, nahitana Minisitra sy tompon’andraikitra ambony, antoko politika sy fikambanana maro samihafa, ary olon-tsotra izay samy milaza fa manohana ny tetezamita mijoro amin’izao fotoana avokoa. Ny nanaitra ny mpanara-baovao fotsiny dia ny tsy nahitana solontenan’ny TGV teny Mahamasina nandritra ity fihaonana savaranonando nokarakarain’i Augustin Randriamananoro ity. Nandefa solontena anefa ary nahatafiditra olona mihitsy ao amin’ny birao nasionalin’ny UDR ny TGV tamin’ny Talata lasa teo.
 
Inona no azo andikana izany rehetra izany ? Manomboka mazava amin’ny olona ankehitriny fa aparitaky ny ady seza sahady ny mpanohana an’i Andry Rajoelina matoa misy fikambanana lehibe 2 samy mitonona fa manohana ny tetezamita. Mampahatsiahy ny zava-nitranga tamin’ny fifanosehana sy ady seza teo amin’ny firaisankinam-pirenena sy ny Tiako i Madagasikara tamin’ny fotoan’androny izany rehetra izany. Raha ny fandinihan’ny mpanara-baovao politika dia hanimba ny TGV izao zava-mitranga izao satria mifampikasokasoka be loatra amin’ireo efa zatra ady amin’ny lalao politika ity fikambanana natsangan’i Andry Rajoelina ity. Azo eritreretina koa anefa fa mitady izay tetika hanilihana ireo dinôzôro politika manodidina azy ny filohan’ny HAT ka izay no mahatonga izao fihetsiketsehana sy sarintsarin’ady an-trano amin’ny samy mpanohana azy izao.
 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT