Fifidianana amin’ny 20 desambra

> Hamaranana ny tetezamitan’ny tsy fanarahan-dalŕna


  • Alarobia 11 Desambra 2013

Niavaka raha samy tetezamita nolalovan’ny firenena malagasy tokoa ny nitranga nanomboka tamin’ny taona 2009 hatramin’izao 2013 izao. Taorian’ny fanonganam-panjakana ny volana martsa 2009 mantsy dia efa hita soritra avy hatrany fa fitondrana tsy manara-dalŕna no nifehy sy nitantana an’i Madagasikara. Sambany, ohatra, no nampanaovina fianianana ny filohan’ny tetezamita izay tsy fahita n’aiza n’aiza.

Mbola nanamarika io vanim-potoana maharitry ny tetezamita io ihany koa ny fanovana tsotra izao ny teny filamatry ny firenena malagasy nataon’ireo mpitondra tsy manara-dalàna. Tsy tenenina intsony ny fanitsakitsahana ireo fifanarahana iraisam-pirenena sy ireo lalàna velona eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Anisan’izany ireo fanavaon-tsonia maro sosona tokony ho nivoahan’ny vahoaka malagasy amin’izao krizy mandifotra tanteraka ny 92%-n’ny mpiray tanindrazana izao saingy nolavin’ireo mpitondra mpanongam-panjakana hatrany. Ny rehetra rahateo dia mahatadidy tsara ny zava-nitranga tamin’ny fotoana fanaterana ireo antontan-taratasy firotsahana ho filoham-pirenena noho ny tsy fanarahan-dalàna ihany koa ka nampihemotra in-droa miantoana ny fotoam-pifidianana. Ankehitriny indray dia io iaraha-mahita io ny zava-misy ataon’ireo mpitondra naka ny fahefana an-keriny izay manova ny lalàna amin’izay mahamety azy ireo. Hany ka ny didim-pitondrana amin’izao fitondrana tsy refesi-mandidy izao dia afaka manova ireo lalàna velona misy eto Madagasikara. Soa ihany fa efa matotra ny olom-pirenena malagasy, tapa-kevitra ny hamarana izany fomba mamohehatra izany.

 

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT