Politique

Fifidianana 2023 Nihaona tamin’ny filohan’ny HCC ireo iraky ny SADC


  • Talata 29 Novambra 2022

Mijery ny zavamisy eto Madagasikara mialohan’ny irosoana amin’ny tetiandrom-pifidianana ireo iraky ny vondrona SADC ka taorian’ny mpanao politika isan-karazany,

ny firaisamonim-pirenena dia nihaona amin’ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana na ny HCC, Florent Rakotoarisoa teny Ambohidahy izy ireo omaly. Nanontany ny SADC hoe mba aiza ho aiza ny tohin’ireo fanamarihina sy sosokevitra nataony taorian’ny fifidianana filoham-pirenena no tanterahana ny taona 2018 ; tahaka ny vondrona eoropeana mantsy dia nanolotra sosokevitra mba ho fanatsarana ny zotram-pifidiananana ny SADC, izay azo atao hoe mahalala tsara ny raharaha politika eto Madagasikara satria izy ireo no mpanelanelana sy mpandamina taorian’ny krizy 2009. Misy mantsy ny fitsipika sy fomba fiasa eo anivon’ity vondrona ity izay maha mpikambana feno an’i Madagasikara raha ny fampiharana sy fanajana ny demokrasia no resaka.Matoa nisy ny fanamarihana dia nisy izany ny zavatra tsy nety, ary mialohan’ny nahatongavan’ireo iraka manokana ireo teto dia azo antoka fa efa nanangom-baovao aloha ny SADC hoe ahoana sy ahoana marina ny tontolo politika ao Madagasikara ao. Tsy manosi-boho-tanana ary mandray tsara ireo fikambanana avy any ivelany tonga eto izahay ato amin’ ny HCC hoy ny filohany, Florent Rakotoarisoa, mbola notohizany fa hoe : tsy misy ny olona tapi-pahaizana fa mila mianatra foana. Ny fitsrana avo momba ny lalampanorenana moa no nitsara ny fifidianana sy namoaka ny voka-pifidianana ofisialy tamin’ny 2019, ary fehezanteny nalaza tampoka tamin’izany otoana momba ireo fitoriana sy fitarainana ilay manao hoe : « azo raisina fa tsy mitombina », fony Jean Eric Rakotoarisoa filohan’ny HCC. Mbola hiverina eto Madagasikara amin’ny fotoana manaraka moa ny SADC. Ary efa miha mazava fa tsy maintsy hiatrika fifidianana i Madagasikara amin’ny herintaona.
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT