Politique

Fifidianana 2023 Miantso ny vahiny hanara-maso ny CENI


  • Alakamisy 02 Febroary 2023

Isan’ny notaterina tamin’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra omaly 01 febroary 2023, fa araka ny fangatahan’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana (CENI),

dia nankatoavina ny hanaovana ny antso ho an’ireo mpiara-miombon’antoka, firenena vahiny, fikambanana iraisam-pirenena sy fikambanana tsy miankina amin’ny Fanjakana ary ny fiarahamonim-pirenena mba handefa mpanara maso ara-pifidianana na iraisam-pirenena na avy eto an-toerana ihany koa, izay hiasa mandritra ny fanomanana ny fifidianana hifanesisesy hatrehantsika eto Madagasikara manomboka amin’ny faran’ity taona 2023 ity. Mandeha izany ny antso hiavian’ny mpanara-maso, raha toa ka mbola baraingo kosa ny hoenti-manana ara-bola izay mbola handresen-dahatra ireo mpiara-miombon’antoka. Hatreto mantsy, notombatombanan’ny CENI ho 33 tapitrisa dolara na 142 miliara Ar eo ny vola ilaina. Mbola mandeha ny fifampiresahana amin’ny mpiara-miombon’antoka ka asa hoe: hanao ahoana satria nisy ihany koa ny fanatsarana na “recommendations” nasain’izy ireo natao niainga tamin’ny fifidianana 2018 izay tsy mbola nisy tanteraka aloha hatreto amin’ny ankambeny. Miantso mpanara-maso ihany koa isika, saingy hatreto mbola baraingo ny tetiandrom-pifidianana hoe: rahoviana marina?
Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT