Politique

Fifidianana 2023 Miantso famondronan-kery i Ravalomanana


  • Alatsinainy 27 Febroary 2023

Niantso famondronan-kery ho an’ny fanavotam-pirenena amin’ny alalan’ny fifidianana 2023 ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana nandritra ny fanatrehany ny fifampiarahabana tratry ny taona nataon’ny TIM Atsimondrano teny amin’ny Magro Tajombato ny sabotsy teo.

Tsy ny TIM ihany no tazana teny, fa nisy ireo mpanao politika hafa, eny fa nahitana tarehin’olona toa efa niala tamin’ny fanoherana aza, saingy niverina… “Tsy hahavita irery an’ity ny TIM na RMDM fa tsy maintsy miasa miaraka amin’ny hafa, tsy azo atao ny manilikilika satria mitovy ny fahasahiranana, samy tsy misy sakafo, potika ny làlana, ka tandremo ny mifandatsa, izay lasa any lasa ary ny lasa momba ny lasa, fa hanangana firenena vanona sy mifankatia isika, ka aza manidy varavarana”, hoy i Marc Ravalomanana. Niantso ny Malagasy tsy ho kivy fa ho vonona satria tsy maintsy atao ny fanavotana ny firenena, raha ny nambarany. Na misy aza fanilikilihana sy fanaratsiana ary fanenjehana dia manam-pinoana, ary minoa fa ho tafarina, ka ho voaverina ny làlana potika, tanora tsy an’asa, ankizy tsy mianatra, zavatra efa nolalovako ireny, ka aza matahotra, hoy hatrany I Marc Ravalomanana nanipika fa matoa miteny an’izany dia tena hanao azy, ary isika no hanao azy miainga any amin’ny Fokontany, hoy izy. Nanamafy moa ity Filoha teo aloha ity, fa taom-pifidianana ny 2023, ary zon’ny antoko politika ny manentana ny olona hanoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana na avy amin’ny fanoherana na ny fitondrana. Misy kaominina 26 ao Atsimondrano, vao 62% ny nisoratra anarana, ka kely izany, tokony hanenjika 99% hoy I Marc Ravalomanana. Tokony hisoratra anarana ahafaha-mifidy izay olona heverinao fa hanavotra azy amin’izao fahasahiranana izao, hoy izy nanentana. Niantso ny olona hamarina, hanao fitarainana, hijery raha misy tsy ara-dalàna toy ny “doublon” satria efa niseho izany. Niantso mafy ny hanafoanana ny tsindry atao amin’ireo sefom-pokontany satria nambarany fa izay tsy mitovy firehan-kevitra amin’ny fitondrana dia hesorina ka tsy anjaran’ny depiote no manolo azy ireo fa ny any amin’ny Minisiteran’ny atitany amin’ny alalan’ny Prefe sy Lehiben’ny distrika, hoy ny fanamarihany. Aza milingilingy na manitsaka ny “plate-bande”n’ny sasany ianareo olom-boafidy, hoy I Marc Ravalomanana. Notondroiny ho tompon’andraikitra amin’ny fanomezana baiko amin’ny sakantsakana ihany koa moa ny Praiminisitra amin’ny maha Lehiben’ny OMC Nat azy, ka nilazan’I Marc Ravalomanana fa tsy mpanakorontana izy ireo, ka tokony hajaina ny zo omen’ny lalàna hanentana ara-politika sy ara-pifidianana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT