Zarina kitoatoa indray, tahaka izay nitranga tamin’ny fandaniana ny lalàmpanorenan’ny repoblika faha-4 ny Malagasy, raha ny zava-misy niseho niharihary teo anivon’ireo andrim-panjakana maro teto amin’ny firenena tato ho ato.
Vidin-tsolika miaka-midina tao anaty 2 andro, diso tsipelina (ilay nihoatra 000) tamin’ny resaka tsenam-panjakana teo anivon’ny ARMP tamin’ny 11 febroary, ny fanitsiana tatitry ny governemanta isak’izay mihetsika, sy ny hafa tsy voatanisa dia toa maha te hametra-panontaniana sahady hoe tokony hiomana koa ve ny sain-dRamalagasy fa mety hifamadika ny isam-bato sy ny anaran’ireo kandida ? Raha tsiahivina, ny filohan’ny CENI ankehitriny ihany no filoha tamin’ny fotoana nahalanian’ilay lalàmpanorenan’ny repoblika faha-4 tamin’ny kara-pokontany tamin’ny tetezamita farany teo. Paikady vaovao be taorian’io kosa ary ve ity fampizarana amin’ny mihinam-bary aza misy latsaka ity amin’izao fotoana tsy tokony hanondranana na dia kely aza izao mihitsy na ilay hoe “0 erreur” ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.