Politique

Fifidianana 2018 Mpanatanteraka ihany izahay, hoy ny CENI


  • Alakamisy 26 Aprily 2018

Samy manery an-kolaka ny amin’ny tokony hanatanterahana ny fifidianana amin’ity taona ity daholo ny vondrona iraisampirenena miara-miasa amin’i Madagasikara. Anisany ny vondrona afrikanina sy firenena mikambana.

 

Toa mampahatsiahy ny savorovoro nateraky ny “Ni … ni” tamin’ny fotoan’androny ny fiandohan’ny zava-mitranga saingy mbola hanaiky hanaraka an-jambany ny baikon’ireo vahiny kosa ve anefa isika ? Ry zareo avy eo anivon’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI moa dia nanamafy fa mpanatanteraka ihany izy ireo fa tsy mpanapa-kevitra. Efa voadin’izy ireo raha vao nandray fahefana ny 29 oktobra 2015, hono, izany. Izany hoe na tsy mbola anaty fitoniana aza ve no hisy fanapahan-kevitra milatsaka amin’ny hanatanterahana ny fifidianana dia hoekena hatrany ? Matetika ny toe-draharaha toy izay mitranga ankehitriny anefa dia eo amin’ny 3 hatramin’ny 6 volana eo hatrany vao ahitana marimaritra iraisana. Ho tony ve amin’izay fotoana izay ny firenena ? Takiana, araka izany, ny mokon-doha ambonin’ny samy Malagasy na ny mpitondra io na ny mpanohitra rehefa mifandresy lahatra amin’ireo vahiny mba tsy horaisina ho toy ny tenin’Andriamanitra intsony ny baikon’ireo milaza azy ho mpanelanelana avy any Dilambato.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT