Politique

Fifidianana 2018 Miandry fahagagana ny Malagasy


  • Sabotsy 31 Martsa 2018

Eo anelanelan’ny 24 novambra sy 24 desambra no hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena eto amintsika, raha ny voafaritry ny lalàmpanorenana. 8 volana eo izany sisa hananantsika amin’ny fikarakarana sy fandaminana ny zava-drehetra satria ny 15 aprily izao no tokony hikatona tanteraka ny lisi-pifidianana.

 

Etsy an-kilany, mbola maro ny toe-draharaha mila alamina na ara-politika na ara-tsosialy, raha tena mihevitra hahita fifidianana mirindra sy milamina. Manana olana ny mpandraharaha sy ny asa fandraharahana eto amin’ny firenena, izay efa nanomboka nampiaka-peo tamin’ny alalan’ny hetsika fanairana tamin’ny fampanenoana anjomara sy ny kiririoka ny 15 martsa lasa teo noho ny tsy fandriampahalemana. Mirongatra ny asan-jiolahy, ny fitsaram-bahoaka … Hilamina ao anatin’ny 8 volana monja ve izany sa kosa hofenoina Emmo-reg isam-pokontany ? Ny mpampianatra mpikaroka amin’ny alalan’ny SECES Antananarivo ihany koa nilaza ny tsy hiditra amin’ny taom-pianarana 2017-2018 raha toa ka tsy mivaly ny fitakian’izy ireo, toy ny tambin-karama tamin’ny taom-pianarana 2015-2016. Ny fampihavanana tsy mandeha amin’ny laoniny, ny lonilony politika miha mafana, ka ho vitan’ny fanjakana ve ny hamerina ny fifampatokisana ara-politika eto ? Mandrak’ity ny androany, tsy hita izay nafitsoky ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, izay nilaza handray an-tanana ny fampihavanam-pirenena. Izy sy ny antokony aza no lasa mpihantsy ady sy mamboly korontana noho ny tahotry ny ho very seza, ka manao kapa ranjo sy kajikajy maloto sisa. Tao anatin’ny 4 taona ny fanjakana HVM tsy hita izay natao fa manao hadalana. Ny fampanantenana poakaty no betsaka, ary toa efa tsy misy tahotra sy henatra intsony ny fanaovana izany. Hahavita fahagagana ve ka hahatafapetraka ny fitoniana ilaina eto amin’ny firenena ao anatin’ny 8 volana ? Raha tsy milamina ny toe-draharaha ara-politika sy ara-tsosialy tsy hisy fifidianana vanona izany eo, ka tsy hay na iniana hampitarazohana ny zava-drehetra mba hahafahana mbola maka tsirony eo amin’ny fitondrana aloha. Mananontanona ny ady sy ny savorovoro satria tsy misy hanaiky kajikajy isan-karazany intsony eto !

Toky R  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT