Politique

Fifidianana 2013 Nandany 138 miliara Ar Rajaonarimampianina


  • Alakamisy 26 Aprily 2018

Tamin’ny alalan’ny fanadihadiana nataon’ny mpandinika vahiny, Manuel Wally ka namoahana ilay boky mitondra ny lohateny hoe “Etude comparative des pratiques en espace francophone”,

 izany hoe fampitahana ireo fomba politika aty amin’ny tany miteny frantsay no nahafantarana fa nampiaiky izao tontolo izao ny fandaniam-bolan’ny filoha ankehitriny nentina nandaniana azy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena teto Madagasikara ny  taona 2013 iny. Izy no lohalaharana  tamin’ny habetsaky ny vola lany isaky ny vato azo, raha ny voalazan’ity fanadihadiana ity, satria dia nandaniany 21,50 dolara izany (dépenses par voix obtenu). 21,16 dolara isaky ny vato azo kosa ny an’ny filoha kenianina, Uhuru Kenyatta, kanefa tafiditra ao anatiny ny azy ny  fifidianana solombavambahoaka sy fifidianana isam-paritra (élections législatives et locales). Ny kandida amerikanina, Hilary Clinton, kosa no fahatelo raha nahalany 19,92 dolara isaky ny vato azo. Ny an’ny filoha amerikanina, Donald Trump aza mbola 12,62 dolara. Raha atotaly kosa ny vola rehetra lanin’ny filoha ankehitriny, Hery Rajaonarimampianina dia mitentina 43.000.000 dolara na 138 miliara ariary mahery, raha toa ka nanodidina ny 2.000.000 ny totalim-bato azony tamina taham-pandraisan’anjarana mpifidy 47%. Avy aiza ny loharanom-bolan’ity kandida Malagasy ity tamin’ny fotoan’androny ? Tsiahivina moa fa kandida notohanan’ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina izy tamin’izany fotoana.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT