Nitentina 23 miliara ariary ny tetibola nayoakan`ny fanjakana ho an`ny fifidianana ben`ny tanàna ny 21 jolay 2015.
Hiakatra avo roa heny ny tetibola amin`ny fifidianana manaraka izao, hoy ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana (CENI) ka hitentina 45 miliara ariary no ilaina hanatanterahana ny fifidianana ben`ny tanàna. Ny antony, fifidianana roa samihafa no hotanterahina amin`ity taona ity dia ny ben`ny tanàna sy ny mpanolotsain`ny tanàna. Ny fitaovana rehetra ampiasaina amin`io dia tsy maintsy ampitomboina avo roa heny satria misaraka. Ohatra, vata fandatsaham-bato roa isaky ny biraom-pifidianana, lisi-pifidianana roa… Tamin`ny 2015, tao anaty lisitra iray ihany ny fifidianana ben`ny tanàna sy mpanolotsain`ny tanàna. Tafiditra ao anaty tetibola voafaritra ihany koa ny fividianana ireo fitaovam-pifidinana ilaina rehetra, ny fanotana ireo biletà tokana ary ny fivezivezena rehetra ataon`ireo mpiasan`ny vaomieram-pirenena. Nandritra ny fifidianana solombavambahoaka farany teo, nitentina 32 miliara ariary ny vola avy amin`ny tetibolam-panjakana nanatanterahana izany. Mbola niampy ny vola avy amin`ny SACEM, fanampiana avy amin’ny vondrona iraisam-pirenena. Ho an`ny fifidianana ben`ny tanàna, tsy misy intsony ny fanampiana avy any ivelany fa ny fanjakana no miantoka ny lany rehetra. Marihina fa ny taona 2018 no namaritana ny tetibola ilaina amin`ny fifidianana rehetra ary efa nanoloran`ny CENI tamin`ny fitondram-panjakana ny tetibola ilainy amin`ny fifidianana ben`ny tanàna.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.