FIFIDIANA BEN’NY TANANA

« Tokony hatao amin’ny faran’ny volana Novambra »


  • Talata 30 Jolay 2024

Tokony hatao amin’ny faran’ny volana Novambra ny fifidianana Ben’ny tanana ho an-dRandriantsoa Jimmy,

Ben’ny tananan’Alasora. Tsy hitako izay antony hanemorana azy io ny datin’ny 11 Desambra hoy izy raha ny vinavinan’ny komity mahaleo tena misahana ny fifidianana izay mbola hakany hevitra any amin’ny filan-kevi-panjakana. Iaraha-mahalala fa efa avy ny orana amin’izany volana Desambra izany ka tsy hay intsony izay tsy manara-dalana na ny CENI na ny filan-kevi-panjakana raha toa ka hanaiky izany. Ny faran’ny volana Novambra no tolo-keviny raha araka ny fanazavan’ity Ben’ny tanana ity tamin’ny mpanao gazety hatrany. Mikasika ny asan’izy ireo manokana dia nomarihiny fa tsy fampandehanan-draharaha fotsiny akory no hataon’ny Ben’ny tanana amin’izao fa tena miasa manasoa ny vahoaka izy ireo. Ho an’ny kaominina Alasora manokana dia anisan’ny nosinganiny manokana ny famolavolana ny teti-bolan’ny kaominina taona 2025 ka tafiditra ao anatin’ny asa hotontosaina ny fanatsarana sy fanamboarana ny biraon’ny kaominina, ny fananganana ny tranon’ny zandary ao amin’ny Fokontany Ambohitanety ho enti-miady amin’ny tsy fandriampahalemana….
Pati
Legende : Miasa manasoa ny vahoakan’Alasora tsy mitsahatra ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT