Fifehezan’ny fitondrana fanehoan-kevitra

Ambony noho ny fiarovana aim-bahoaka


  • Alatsinainy 28 Aogositra 2023

Niharihary ny zoma 25 aogositra 2023 nanoloana ny fifanosehana ka nahafatesan’olona am-polony maro sy naharatrana malagasy efa ho an-jatony

indray fa ambony noho ny fiarovana aim-bahoaka ny fifehezan’ny fitondrana fanehoan-kevitra eto Madagasikara. Tsy nisy am-bolana na an-taonany fa tao anaty 2 andro monja dia azo nandrefesana na nampitahana ny lanjan’izany fiarovana ny aim-bahoaka izany ho an’izao fitondrana mijoro ankehitriny izao. Mpianatra 1 sy 2 nitaky ny zony teny Ankatso no maty daroky ny mpitandro filaminana efa ho am-polony na mahery aza ny 24 aogositra. Mpanao politika andeha hivory anaty trano no natao naha seriny ny EMMOREG ny nanakana azy ireo tsy hivory sy haneho hevitra teny amin’ny Yandy By pass, ny andron’iny ihany. 13 isa no naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana tany Fandriana ary nisy maty 1. Tsy vao sambany tamin’ny lozam-pifamoivoizana moa iny fa efa tsy miafina ny rehetra intsony ny nifanesisesy tato ho ato. Eto an-drenivohitra aza ao anatin’ny herinandro no misy lozam-pifamoivoizana nataon’ny zotra 119 in-droa misesy tetsy Ambohijatovo tetsy. Mampametra-panontaniana hoe tena mba mandeha araka ny tokony ho izy ve ny fitsirihana tekinika ao amin’ny foibe natao iandraikitra izany ao? Ny tsy fandriampahalemana mameno tanàna manginy fotsiny. Tsy vao sambany koa, tsiahivina hatrany, nahafaty sy nandatsan-dra vahoaka malagasy maro ny lanonana maha vory vahoaka notontosaina tato anatin’ity fitondrana ity fa efa 16 koa no maty raha hijery matso tao ny 26 jona 2019. Ny nahagaga dia ny hoe tsy nahay naka lesona ho fanatsarana ny fandaminana sy fikarakarana lanonana mihitsy ve fa rehefa mamirapiratra fotsiny ny seho ivelany amin’ny andro alina dia ampy izay?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT