Fifehezana tsy ara-dalàna

ny fahefam-panjakana


  • Talata 02 Desambra 2025

Nangatahan’i Madagasikara hampidirina

ho heloka enjehin’ny iraisam-pirenena
Ao anatin’ny fivoriana faha-24 ho an’ny « Assemblée des États Parties » eo anivon’ny Cour Pénale Internationale (CPI) izay tanterahina ao La Haye, Pays-Bas, naneho fandraisana andraikitra lehibe sy sahy tamin’ny alalan’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana sady Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa Fanirisoa ERNAIVO i Madagasikara. Nanolotra sy namelabelatra soso-kevitra lehibe mikasika ny fampidirana ny “Heloka bevava mikasika ny fifehezana tsy ara-dalàna ny fahefam-panjakana” (Crime de Capture d’État) ho isan’ireo heloka henjehina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ity hevi-baovao ity dia mikendry ny hanasazy ireo endrika lalina sy rafitra matanjaka amin’ny kolikoly, rehefa misy vondrona na olona manam-pahefana manararaotra sy mifehy ny rafi-panjakana, ny fanapahan-kevitry ny fanjakana ary ny harena voajanahary ho tombontsoany manokana,... Amin’ny fametrahana izany eo anivon’ny CPI, dia manamafy i Madagasikara ny ady ataony amin’ny tsimatimanota sy ny kolikoly ary mampiseho ny finiavana hanangana fanjakana tan-dalàna matanjaka sy mangarahara. Ny fandraisana andraikitra nataon’i Madagasikara dia maneho fa vonona hitarika sy hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanatsarana ny lalàna famaizana iraisam-pirenena izy, ho tombontsoan’ny vahoaka sy ny fiarahamonina maneran-tany.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT