Andrasana anio ny raharaham-pitsarana
mikasika ny fitorian’ny kandida ben’ny tanàna teto Antananarivo Tojo Ravalomanana ny ben’ny tanàna Harilala Ramanantsoa, mahakasika ny fifidianana tamin’ny 11 desambra 2024. Andrasana izay ho tohin’ny eny amin’ny « Cour de cassation » eo anivon’ny Fitsarana Tampony eo anatrehan’ny fitorian’ny Antoko TIM izay manizingizina fa nisy ny fandikan-dalàna, hala-bato, fanodinkodinana ny safidim-bahoaka,… ka isan’ny notakiana ny fanintsanana na « disqualification » an’i Harilala Ramanantsoa, izay nilaza tamin’izany hoe : « antsika ny tanàna » teo anatrehan’ireo lohan’ny mpisorona sasany teo anivon’ny TGV toa ny governoran’Analamanga teo aloha Hery Rasoamaromaka sy ny maro hafa. Notsipihin’ny mpisolovava ny TIM omaly ilay resaka « ordonnance » tamin’ireny fifidianana ireny, izay nambaran’izy ireo nahatratra 11000 ny tao anaty lisi-pifidianana. Nisy ny fitsarana ny zoma lasa teo, nangataka « repport d’audiance » ny mpisolovava an’i Harilala Ramanantsoa, ka nekena ho fanajana ny 10 andro hahafahany mametraka ny fehin-kevitra na fiarovan-tenany. Nametraka ny filankevi-panjakana fa tsy tokony hisy fanemorana intsony, ka nametraka taratasy ny mpisolovava ny TIM omaly, fa tsy tokony hahemotra intsony amin’ny fotoana manaraka io, noho ny fahenoana fa misy resaka amin’ny mety hanemorana izany, izay eritreretina fa misy ambadika na tsindry atao amin’ny fitsarana, raha ny filazan’izy ireo. Milaza fa efa tafapetraka rahateo ny fiarovan-tenan’ny Ben’ny tanàna Harilala Ramanantsoa. Raha hiverenana, namafisin’ny didin’ny filankevi-panjana ny 17 janoary 2025 ny valim-pifidianan’ny CENI fa nandresy tamin’ny isam-bato 43, 24% i Harilala Ramanantsoa avy amin’ny TGV ka nahatafiditra mpanolotsaina miisa 23 amin’ny 55 teo anivon’ny filankevitra monisipaly, narahin’ny TIM, ma¬nana 20. Fito kosa ny mpanolotsaina avy amin’ny Tia Ta-nindrazana, Razafinjoelina Tahina. Miisa 3 ny an’ny Mouvement Gascar ary iray avy kosa ny mahaleo tena, Iarivo Mandroso, an’i Ndriana Razanamasy sy ny RTM, Randriamampionona Joseph Martin. Hisy ve ny fitsimbadihana 10 volana aty aoriana ? Tsapa ihany ny ady ara-tserasera na « guerre de communication » mahakasika ity raharaha ity, toy ny fihaona teny amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza teo amin’ny ben'ny tanànan'Antananarivo renivohitra Harilala Ramanantsoa sy ny filohan'ny Antenimierampirenena Siteny Randrianasoloniaiko, izay misy mandrirotra amina fandikana na «interprétations politiques » samihafa ho mifandraika amin’ity raharaha ity. Ny TIM izay marihina fa niala tao amin’ny Vondrona Firaisankina. Misy ny serasera miparitaka manao hoe : « Avelaho hiasa tsy misy tsindry ny Conseils d'Etat sy ny Fitsarana momba ny raharaha Commune Antananarivo Renivohitra »,… Andrasana izany izay sary hitranga manodidina ity raharaha ity hoe : hitsimbadika ve ny vokatra teto Antananarivo ? Hiongana ve i Harilala Ramanantsoa dia hiakatra eo amin’ny toerana i Tojo Ravalomanana ? Hisy fametrahana Filohan’ny Delegasionina manokana na PDS ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.