Politique

Fifandroritana ara-pifidianana Asa izay hitranga eny Ivandry anio


  • Alakamisy 22 Jona 2023

Hotanterahina etsy amin’ny Novotel Ivandry anio 22 jona 2023 ny fampihaonana faharoa tarihin’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI an’ireo Antoko sy mpanao politika samihafa.

Hikendrena zotram-pifidianana mangarahara sy milamina ary azo itokisana moa ny voalaza fa tanjon’ny CENI ao anatin’izany, ka fihaonana faharoa taorian’ny 24 martsa lasa teo ity hatao ity. Tamin’ny voalohany, teboka 4 teo no nisongadina, dia ny mikasika ny rijatenin-dalàna mifehy ny fifidianana ; ny raharaham-pifidianana, ka voaresaka tao ny tolo-kevitra mikasika ny lisitry ny mpifidy, ny birao fandatsaham-bato ary ny voka-pifidianana ; ny fanaovana fampielezan-kevitra mialoha ny fifidianana, ny fanentanana sy ny fanabeazana ny olom-pirenena amin'ny tontolo politika ; ny fanaraha-maso ny fifidianana. Mitodika etsy amin’ny Novotel ny mason’ny mpanara-baovao amin’ny mety ho fizotran’ny raharaharam-pifidianana marina. Omaly, nisy ny fanambarana nataona antoko maromaro nahitana ny MMM, HVM, MFM, Tsara Tahafina, PSD, Ampela manao politika, Lera, izay nilaza fa sarintsarim-pihaonana « misokatra» sy «mangarahara » fotsiny no nokarakarain'ny CENI volohany tamin'ny 24, Martsa 2023 satria tsy nisy noraisina na iray aza ireo soso-kevitra ho fanatsaran'ireo vondron'antoko ireo mikasika: ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny fifidianana; ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana; ny mangarahara mikasika ny fifdianana (fanomezana kopia sy kara-panondro faobe, ny famatsiam-bola ny fikarakarana ny fifidianana, sns.); ary ny fikarakarana ny fifidianana amin'ny ankapobeny. Noho izany milaza tsy handray anjara amin'ny fihaonana faharoa izay karakarain'ny CENI anio izy ireo ary tsy mamatotra ny tenany izay fehin-kevitra raisina ao.
HO SAROTRA?
Hanao ahoana izany ny ho fizotry ny raharaham-pifidianana. Ara-bola, vao lisi-pifidianana dia nilaza fa efa nandany 45,3 miliara ny CENI, 140 miliara mahery no nangatahana tamin’ny mpiara-miombon’antoka ara-bola saingy 70 miliara Ar no voaresaka tao anatin’ny taratasy nifanaovan’ny Fiadidian’ny Repoblika sy ny Vondrona Eoropeanina,… Hitosaka ve ny vola taorian’ny fihaonan’ny Filoha Malagasy sy ny Filoha Frantsay izay nolazaina fa vonona hamatsy vola ny fifidianana? Tetsy andaniny, nisy ny fakan-kevitra nataon’ny iraka manokan’ny OIF (Organisation Internationale de la Francophonie) notarihin-dRtoa Micheline Calmy-Rey izay ankoatra ny fihaonany tamin’ny Praiminisitra, dia nihaona tamin’ireo mpitarika politika lehibe toa an’I Marc Ravalomanana Ravalomanana, Hery Rajaonarimampianina,… izay tsy tongatonga ho azy.
MBOLA BETSAKA NY FIFANDRORITANA
Mbola betsaka ny zavatra toa ifandroritana na efa mikofokofoka manao hetsika politika samihafa hafa aza ireo heverina fa ho kandida. Teo ohatra, ny nilazan’ny Praiminisitra ny 8 jona lasa teo, fa ilaina intsony ny mikitika sy manova ny lalàm-pifidianana satria efa atomotra ny fotoana, hiteraka fanovana zavatra be dia be, vao mainka manakorontana,… Manampy trotraka izany ny mbola tsy hamoahan’ny fitondrana didim-panjakana mamaritra mazava ny tena datim-pifidianana sy ny fanaikana ny mpifidy, fa roritina amin’ny hoe: mbola manana hatramin’ny 12 jolay,… Asa na ho tafavoaka ve ny baolina momba ny hisian'ny fifidianana?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT