Politique

Fifandraisana marefo amin’i Lafrantsa Manarama 700 000 euros mpanao serasera ny Fanjakana ?


  • Alakamisy 13 Oktobra 2022

Nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny manam-pahefana Malagasy ny Cabinet ESL & Network. Iraka ampanaovina an’io ny fampitoniana ny fifandraisana ara-diplaomatika eo amin’I Paris sy Antananarivo,

hoy ny lahatsarotry ny fampahalalam-baovao vahiny Africa Intelligence ho an’ny omaly alarobia 12 oktobra 2022. Voalaza mantsy fa mihenjan-droa ny tady eo amin’ny roa tonta noho ny fifanantonana amin’ny endriny samihafa eo amin’ny mpitondra Malagasy sy ny Rosianina. “Tao anatin’ny fotoana naharitra, niara-dàlana tamin’ny cabinet Concerto an’i François Hurtsel, ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina araka ny loharanom-baovao, dia vao avy nanendry ny cabinet parisien ESL & Network mba hantsarana ny sarin’ny fireneny any France sy iraisam-pirenena. Efa nampiasa nitaky tamin’ny Agence J5 Co an’I Gérard Askinazi izay mpikamban’ny komity stratejikan’ny Asisa Partners sy Havas ihany koa izy”, hoy hatrany ny Africa Intelligence. Mahatratra 700 000euros (2 800 000 000 Ar eo ho eo) ny vola aompana amin’izany, ka ny fifanarahana dia ny lafiny fandresen-dahatra na “lobbying”, laza an’habaka na “influence en ligne” ary ny fifandraisana amin’ny fampahalalam-baovao, ary indrindra ny fikarakarana ny fampahafantarana ofisialy ny "Plan Emergence Madagascar" ny 28,29, 30 oktobra 2022 izao eny amin’ny CCI Ivato io. Tao anatin’ny fotoana tena nampitombo ny tsy fitovian-kevitra teo amin’I Paris sy Antananarivo io no voalaza fa nandeha io tsenan’asa io. Isan’ny mampifanenjana moa ny fanagadrana ireo Frantsay roa François Philippe sy Paul Rafanoharana, ny resaka îles Eparses, ny fampiasam-bola eo amin’ny fifanarahan’ny firenena roa tonta mikatso. Efa hatramin’ny 2021 no nampanatena 240 tapitrisa euros eo ny Frantsay, ary mbola nampanantenaina tamin’ny fihaonan’ny Filoha roa tonta vao tsy ela, saingy toa tsy hita izay tena fandehany. Nilaza ny Africa Intelligence fa nisafidy ny tsy hiteny ny ESL & Network raha azon’izy ireo tamin’ny fifandraisana, raha toa ka nilaza ho tsy nanolo-kevitra tolotra na « services » tamin’ny Fanjakana kosa ny Havas, raha toa ka tsy namalyy kosa ny J5 Co. Asa izay mety ho setriny na fandisoana avy amin’ny Fanjakana mikasika an’io, fa raha mitombona tokoa, dia may ny endim-boanjon’ny Fanjakana Rajoelina, tsy marin-toerana ny fifandraisany amin’ny Lafrantsa, tsy mahatoky tena intsony ara-tserasera sy ara-diplaomasia,… hany ka manatosaka vola tsy toko tsy forohana haompana amin’izany. Tena mbola hahomby ve ny resaka serasera na hanatsarana ny fifandraisana amin’ny any ivelany na ny fambaboana ny Malagasy hifidy azy indray amin’ny 2023 ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT