Politique

Fifandraisana iraisam-pirenena “Ho lazain’olona fa tsy matotra ny diplaomasiantsika”


  • Zoma 21 Oktobra 2022

Nesorina tamin’ny toerany iny ny minisitry ny raharaham-bahiny noho ilay latsa-bato izay nanameloka an-drizareo rosianina, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Fiombonana.

Nazava anefa, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Durlin Retogniane, ny hevitsika tany am-boalohany fa tsy miandany an’iza na iza amin’io ady any Okrainina io. Tokony notazonina foana izay toerana izay. Nisy tsy fifankahazoana ve teo amin’ny filoham-pirenena, izay heverina ho filohan’ny diplomasia eto Madagasikara, sy ny minisitry ny raharaham-bahiny, izay nisolo tena antsika tany amin’ny latsa-bato? Aza adino fa ny minisitry ny raharaham-bahiny koa no nisolo tena antsika naneho fiaraha-miory tamin’ny firenena Britanika tamin’ny fahalasanan’ny mpanjakavavy Elizabeta. Azo heritreretina koa ny hoe sao nisy fanerena avy amin’ireo firenena mivondrona anaty OTAN tamin’iny fotoana iny ka nahatonga ilay minisitry ny raharaham-bahiny nandray fanapahan-kevitra mety ho azy manokana amin’ny maha olompirenena azy? Aza adino koa fa mpiasan’ny firenena mikambana ny minisitry ny raharaham-bahiny ka mety nisy izay toromarika izay. Petrakevitra daholo moa izany fa I Madagasikara foana no ho lasibatr’izany satria manimba ny fifandraisana iraisampirenena izany fanapahan-kevitra izany. Raha tsy hiresaka fotsiny afa-tsy ny fifandraisana eo amintsika sy I Rosia izay hoe tokony hanampy antsika amin’ny famerenana ireo nosy manodidina ireo isika, ohatra. Mpikambana maharitry ny fandriampahalemana ao amin’ny firenena mikambana I Rosia. Mpikambana amina rafitra iraisam-pirenena maro koa I Rosia, raha tsy hiresaka fotsiny afa-tsy ny BRICS isika, izay ahitana koa an’I Brezil, Inde, Sina, Afrika atsimo. Sao dia hanimba ny fifandraisantsika amin’ireo koa ity fanapahan-kevitra ity satria ho lazain’ny olona fa tsy matotra ny diplaomasiantsika, hoy hatrany ny antoko politika Fiombonana, satria miantoka ny jeopolitika sy jeostratejika maneran-tany ny zavatra toy ireny.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT