Politique

Fifandraisana amin’ny Malagasy Hafa ihany i Dada


  • Talata 17 Aprily 2018

Niandry ny mety ho fihetsik’i Marc Ravalomanana, Andry Rajoelina, Hery Rajaonarimampianina ny rehetra, ary indrindra ny akon’ny dian’izy ireo tany Vohipeno ny faran’ny herinandro teo. Samy nanao ny seraserany avy, ary somary latsaka i Marc Ravalomanana teo anatrehan’izany,

 raha toa ka nankalazaina fatratra tamin’ny haino aman-jeriny avy ny an’iretsy roa hafa, fa ho avy any an-toerana, izay marihina fa samy nandeha fiaramanidina avokoa na i Hery Rajaonarimampianina na i Andry Rajoelina. Tsy arakaraka izay anefa, fa mbola nisongadina hatrany i Marc Ravalomanana raha dinihina amin’ny hetraketraka atao aminy satria tsy mba manana haino aman-jery izany kanefa dia mbola tsy tambo isaina ny vahoaka nankasitraka sy feno hafaliana nihaona taminy. Nandeha fiara izy nihazo an'i Vohipeno, niserasera, nifampizara, nihaino ny olona. Nitsidika, namantatra ny fiainan'i Lucien Botovasoa tamin'ny fianakaviany... Nankasitraka ny fihetsika feno fanetren-tena nananany ny fianakaviana. Fiainany ny finoana, nibeazany sy nitaizana azy, ka toa mandeha ho azy ny fifandraisana amin’ny mpino rehetra na inona na inona finoany. “Faly aho tonga mivavaka”, hoy izy tao Vohipeno. Tombony hatrany ho an’i Marc Ravalomanana ihany koa anefa ilay toetra fototra niaingany, dia amin’ny maha tambanivohitra azy, mpivarotra ronono,… fahiny ka na efa tafakatra amina toerana ambony sy avo lenta aza, dia toa mandeha ho azy ny fifandraisana sy ny fankafizan’ny olona azy ary tsy mba mieboebo na manandra-tena. Toetra tsy amboamboarina, toy ny an’ny sasany io, ka mody handeha hanantona vahoaka sy hifampitakosona aminy satria akaiky ny fifidianana, fa toetra efa karazan’ny voajanahary ao anatiny.

Fikirakirana ny tambajotra fesiboky

Sehatra iray isan’ny efa mahazo toerana eto amintsika ny “facebook”, na dia tsy ny Malagasy rehetra aza aloha no afaka mampiasa sy mikirakira azy. Ampiasaina amin’ny serasera isan-karazany, ary efa manomboka mampiasa an’io ihany koa ny ankamaroan’ny mpanao politika. Raha ny hita aloha hatreto raha ampitahaina ireto filoha 3 mirahalahy izay samy tany Vohipeno ireto dia laharana voalohany amin’ny be mpanao “j’aime” indrindra i Marc Ravalomanana (188 951), ao amin’ny laharana faharoa kosa i Hery Rajaonarimampianina amin’ny alalan’ny pejin’ny fiadidiana ny repoblikan’i Madagasikara (55 989), ary laharana fahatelo kosa i Andry Rajoelina (41 619).

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT