Politique

Fifanatrehana amin’ny depiote eny Tsimbazaza Ny Praiminisitra miampy minisitra 4 no hamaky lay


  • Alarobia 24 Mey 2023

Raikitra manomboka anio 24 may ary haharitra 5 andro, izany hoe : hatramin’ny 31 may izao ny fifanatrehana eo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta.

Ny Lehiben’ny governemanta sy minisitra 4 no hihaona voalohany amin’ireo depiote anio, ka hosantarin’ny Praiminisitra Ntsay Christian amin’ny alalan’ny fanaovana tatitra eo anoloan’ny Antenimierampirenena eny Tsimbazaza rahampitso 24 may 2023 ny fihaonana. Hanomboka amin’ny 10 ora ny fifanatrehana, ka ankoatra y minisitry ny Fiarovam-pirenena no hanao tatitra aorian’izay, arahan’ny minisitry ny Filaminambahoaka sy ny Sekreteram-panjakana eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovampirenena misahana ny Zandarimariam-pirenena. Ny minisitry ny Raharahambahiny sy ny minisitry ny Fitsarana kosa no hanao tatitra amin’ny tapany hariva, manomboka amin’ny 3 ora. Mandritra ny 5 andro ny fanatrehan’ny mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna eny Tsimbazaza amin’ity in-dray mitoraka ity. Raha tsiahivina dia tsy raikitra ny fihaonana tokony hanaovan’ny fahefana mpanatanteraka sy mpanao lalàna ny volana desambra 2022 lasa teo noho ny raharaha fitsipaham-pitokisana ny governemanta. Ankoatra ny fanaovana tatitra ny asa vitan’ny governemanta, dia misy hatrany ny fametraham-panontaniana ataon’ny solombavambahoaka. Tombanana hafampana ny fihaonana, izay heverina fa fivoriana ara-potoana faran’ny Antenimierampirenena ao anatin’ny fe-potoana iasan’ny Fanjakana Rajoelina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT