mbola handinika ny mpitsara…
Nafampana teny amin’ny Fitsarana Tampony Anosy omaly, izay nizoran’ny raharaham-pitsarana ny fitorian’ny kandida ben’ny tanàna teto Antananarivo Tojo Ravalomanana sy ny ben’ny tanàna izay nambaran’ny Filankevi-panjakana 10 lasa fa lany dia I Harilala Ramanantsoa. Tsy mbola nisy aloha ny zavatra tapaka sy ny didy raikitra satria nanapa-kevitra hanemotra amin’ny fotoana manaraka ny famoahana ny didim-pitsarana ny Fitsarana, ary nambara fa mbola hiverina handinika ny raharaha ny mpitsara. Andrasana ny valiny, fa raha ny hita taratra omaly, dia samy nanao be fiavy teny an-toerana ny mpomba ny andaniny sy ny ankilany, ary samy naneho fahatokisan-tena. Ny avy amin’ny Antoko TIM izay miampanga ny TGV ho nanao fandikan-dalàna marolafy, nanao hosoka, nanodikondina safidim-bahoaka,… Ny andaniny miezaka manamarina ny toerany fa lanim-bahoaka. Nisy ny fihetsiketsehana sy horakoraka ary fitondrana sora-baventy nataon’ireo mpanohana an’i Harilala Ramanantsoa nentina nanohanana sy niarovana ity farany. Teo ihany koa anefa ny avy amin’ny mpanohana an’i Tojo Ravalomana nihorakoraka rehefa tonga i Harilala Ramanantsoa hoe : mpangala-bato, esorina ny ekipan-dRajoelina sy ny forongony. Niatrika ny raharaham-pitsarana i Tojo Ravalomanana sy ny Filoha mpanorina ny TIM Atoa Marc Ravalomanana, niaraka tamin’ireo lohandohan’ny mpisorona TIM, ireo mpikatroka,… Tazana teny an-toerana ihany koa ny ankamaroan’ireo mpanolotsaina monisipaly na avy amin’ny andaniny na ny ankilany. Nandalo kosa i Harilala Ramanantsoa izay nandefa ny mpisolovava azy niatrika ny Fitsarana. « Ben’ny tanànan’Antananarivo ny tenako, ary ny fijoroako eto anoloan’ny fitsarana dia fijoroako sy finoako fa ny fitsarana dia hanao araka ny tokony ho izy, ary ny fitondram-panjakana izay mijoro dia mijoro amin’ny fahamarinana, ka tsy ny politika no hitondrana ny raharaha fa ny fahamarinana », hoy i Harilala Ramanantsoa, nandritra ny fandalovany teny Anosy. « Misy olona tsy avy eto Antananarivo akory izany no nifidy ny ben’ny tanàna teto. Mbola hieritreritra moa izy izany, fa mino aho fa mba hitodika amin’ny mazava amin’izay ny tanànantsika fa tsy ireto ratsy fanahy ireto. Izany ratsy fanahy izany dia fanahy ratsy no miasa ao anatiny na miteny aza izy fa mandroso io, dia mahantra foana io ! Mbola hifankahita eto isika, mbola hivaly ilay didy ! », hoy i Tojo Ravalomanana taorian’ny fahataperan’ny fitsarana. Andrasana ny tohiny izay heverina fa stratejika be amin’ny tontolo politika io, indrindra fa nialohavana tranga sy fihetsika ara-politika maromaro nialohan’izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.