Hametraka komity manokana haka ny hevitr’ireo rehetra manan-kambara momba ny nosy manodidina na “iles Eparses” ny fitondram-panjakana Malagasy araka ny fanambaran’ny
minisitry ny raharaham-bahiny Naina Andriantsitohaina nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena Frantsay omaly alahady.Anisan’ny ho dinihana sy hifampiresahana ao anatin’izany ireto sehatra manaraka ireto : ny tontolo iainana, ny jono, ny fiarovana ary ny fitrandrahana solika.Ezahana tena hisandrahaka ary hahazoana ny hevitry ny maro izy ity satria mahakasika ny fiandriaanam-pirenena.Niantso ny manam-pahefana Frantsay mba handray anjara amin’io dinka io, amin’ny daty maha mety azy ny minisitry ny raharaham-bahiny; aoka kosa anefa mba tsy ho ela loatra izany , hoy izy satria tokony ho fantatra mialoha ny 26 jona 2020 ireo vahaolana.Nanamarika anefa i Naina Andriantsitohaina fa tena fanapahan-kevitra politika no ho raisina momba ny “Iles Eparses”.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.