Politique

Fifamatorana ara-tantara sy ara-politika Tena ny Frantsay marina ve no olan’i Madagasikara ?


  • Alakamisy 30 Martsa 2023

Adihevitra foana ny hoe: nahoana ny zanatany Anglisy no mandroso no mandroso kokoa mitaha ny an’ny Frantsay? Nahoana I Madagasikara no tsy mandroso?

Raha ny fandinihan’ny manam-pahaizana, samy manana ny politikany ireo. Nizara sy nampita fahaiza-manao kokoa ny Anglisy, ary nametraka ny soa iombonana, izay ilay hoe: “Commonwealth”, raha toa ka nirona betsaka amin’ilay hoe: “politique de la ventouse” ny Frantsay, izany hoe: mandavaka sy mitroka izay azony. Tsy tokony ho sakana ho antsika anefa izany, fa maro ihany koa ny zavatra tokony ho hain’I Madagasikara ny mamadika ho hery ny fiaraha-miasa sy ny fifamatorana misy? Maro rahateo ny fifamatorana eo amin’ny tany firenena roa tonta, ary hatreto, dia mbola mafy ny fifamatorana ara-politika eo amin’I Madagasikara sy Lafrantsa. Ara-toekarena, mbola ity firenena ity no mpiara-miombon’antoka amin’ny fifanakalozana ara-barotra amin’I Madagasikara. Nanomboka ny taona 2018, dia voasokajy ho Afrikanina aty atsimon’I Sahara ho manana teratany betsaka indrindra any Frantsa sy ireo tany anaty departemanta Frantsay I Madagasikara, ka notombanana ho hatrany amin’ny 140 000 ny Malagasy any. Misy ireo mpifindra monina avy aty Madagasikara mety ho efa hatry ny ela, fa misy ireo monina sy miasa any,… Malagasy 9 amin’ny 10 amin’ireo misafidy an’ireo tany sy departemanta Frantsay no misafidy ny honina any France na misy 17 000 aza atsy La Réunion, ary 5000 eo ho eo ny any Mayotte,... An’aliny ihany koa ireo Frantsay miasa sy monina ary mandraharaha eto. Isan’ny lohalaharana amin’ireo orinasa goavana eto ny an’ny Frantsay na an’ireo mizaka ny zom-pirenena Frantsay. Teo ny tantaran’ny fanjanahantany, ny mety ho politikam-panjanahana amin’ny endriny vaovao, ny resaka fitsabahana politika sy jeopolitika,… Mbola betsaka ny Malagasy no mirona amin’ny fankahalana an’i Lafrantsa noho izay holatry ny lasa izay. Hahavaha ny olana ve anefa izany ary ny fankahalana vahiny ve no hampandroso an’I Madagasikara? Mety misy ny takaitra, fa mila mitady vahaolana hafa sy paikady mivelatra kokoa satria isika samy isika aloha no mila mahatsapa fa avy amintsika no isan’ny mampikorosy fahana ny firenena, fa tsy tokony hahilika amin’ny hafa foana. Mila mahatsapa ny Malagasy fa ny olona ao aminy no harena voalohany, ireo no mila miombona,mitia ny tanindrazana ahafahantsika mahalala hoe: iza marina isika sy ny tanintsika ary ahoana no hampandrosoana azy fa tsy lany andro hifanipaka lava eto?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT