Politique

Fifaharahana ara-tafika


  • Talata 13 Septambra 2022

Miharatsy ny fiaraha-miasa amin’i Lafrantsa? Marefo ny fiaraha-miasa ara-tafika eeo amin’i Madagasikara sy France noho ny tsy niraisan’I Madagasikara feo tamin’ny Lafrantsa sy ny Vondrona Eoropeanina amin’ny fanamemohana an’i Rosia amin’ny fanafihana an’i Ukraine,

ny fifanarahana ara-miaramila amin’I Rosia natao ny martsa 2022,… araka ny fampahalalam-baovaon’ny Africa Intelligence. Mihisatra na mikatso mihitsy ny fiaraha-miasa ara-tafika eo amin’I Madagasikara sy Lafrantsa, mikatso ny fametrahana ny fiaraha-miasa izay miompana amin’ny fanaraha-maso an-dranomasina, ny fametrahana “radar” hirosoana amin’ny fanavaozana ny tafika an-dranomasina any Antsiranana,… Nitsahatra avokoa ny tetikasa tato anatin’ny herinandro vitsivitsy, araka ny notaterin’io fampahalalam-baovao vahiny io. Ara-diplaomasia sy ara-tafika, iaraha-mahita ny fihetsiky ny Frantsay aty Afrika, io iaraha-mahita io ny toe-draharaha any Mali, rehefa tsy nifanaraka amin’ny lohany. Tsy miteny hoe: mila mandady aminy na miady aminy, fa mila mahay mandanjalanja sy mahay diplaomasia. Ny ara-tafika io, fa mampanahy ny fiaraha-miasa vao misy resaka Eoropeanina, Tahirimbola Iraisam-pirenena, Banky Iraisam-pirenena,… na ekena aza fa misy ny fomba firesaka ara-diplaomatika fa manana ny fiandrianany I Madagasikara. Isan’ny mbola tsy mazava sy tsy marin-toerana ihany koa ny lafiny ara-pifidianana, izay isan’ny notsongolohan’ny Vondrona Eoropeanina. Mifangarika amin’ny fomba fihetsiky ny Fanjakana anefa etsy andaniny ny fiventesana lava ny resaka fiandrianam-pirenena, kanefa vao tapa-bolana lasa izay no tany Frantsa ny Filoha Rajoelina, nirehareha fatratra amin’ny famatsiam-bola Frantsay 240 tapitrisa euros mandritra ny 4 taona, izay efa hatramin’ny 2021 no nampanantenainy; ny famatsiam-bolan’ny Vondrona Eoropeanina 325 tapitrisa euros mandritra ny 4 taona,… Mbola arahina fepetra ireny, ary mijanona ho sora-bola rehefa tsy araka ny tamberiny andrasany ny fihetsiky ny mpitondra. Lasa kiboribory vetaveta hatrany?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT