Fidirana ara-politikan’ny RMDM

«Aleonay maty mitsangana toy izay velona mandohalika»


  • Alakamisy 11 Janoary 2024

Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fidirana amin’ny taom-pikatrohana politika

ho an’ny taona 2024 ny RMDM na Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara omaly 10 janoary, tetsy amin’ny Foibeny etsy Bel’Air. «Tsy miova ny RMDM omaly sy anio ary rahampitso, tsy mieritreritra ny hiandany na miharihary na ankolaka amin’ny fitondram-panjakana ankehitriny, fa mijoro sy mitsangana manohitra an’izao fitondram-panjakana misy izao. Raha misy maniry an’izay dia azy manokana fa tsy amin’ny anaran’ny RMDM, ary raha misy mieritreritra ankoatra izay dia azy izany », hoy ny Pasitera Edouard Tsarahame Mpitarika eo anivon’ny RMDM. Nilaza tsy hiditra ao anatin’ny governemanta tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian noho izany izy ireo, na mety misy aza ny endrika fisokafana. Naneho fa nomena ny soso-kevitra, natao ny tsikera, nanao ny fomba ho fiarovana ny tanindrazana mba tsy hahatongavana amin’izao, saingy nanaovana bemarenina. Raha nisy valanaretina teto dia nitsangana nanome vahaolana, nisy lalàna tsy nety teto, nisy fitantanana nitanila,… fa nitsangana foana nanome vahaolana, fa nolavina avokoa. Tsy midika hoe : tsy noraisin’ny mpitondra ny hevitry ny RMDM dia hangina izy ireo, fa izay no manaporofo fa mpitondra Fanjakana vonona hampandroso firenena sy hanavotra tanindrazana ireto, ka miandry ny RMDM ny firenena, hoy izy ireo. Porofo miharihary, hoy izy ireo, fa na ny governemanta aza tsy tafatsangana, na ny olona aza mbola tadiavina, kanefa olona nitondra firenena an-taonany maro, ka tsy vonona, tsy fantatra hoe : iza no hatao aiza sy aiza ? Eo amin’ny lafiny fanoherana, dia nitsotra ny RMDM fa mbola tsy tratrany ny tanjony, ary izay no hijoroany. « Tsy maintsy hirosoantsika ny fametrahana tany tan-dalàna eto amin’ny Firenena. Na iza ho faly na iza tsy ho faly, dia tsy maintsy hiroso, ary hitsangana isika hametraka ny tany tan-dalàna, fa tsy havelantsika ho gaboraraka ity tanindrazana ity. Tsy maintsy hofongorina hiala eto Madagasikara ny tsy maty manota fa tsy havela fotsiny amin’izao hanao ny ataony », hoy ny RMDM. Mety handalo fahasarotana samihafa kanefa tsy maintsy mitsangana, ka « aleonay maty mitsangana toy izay velona mandohalika, ary tsy handohalika na amin’iza na amin’iza fa hijoro ho an’ny tanindrazana », hoy ity Vovonana ity. Nilaza tsy hanaiky ny tsy rariny, ny jadona, ny gaboraraka, ny tsy tan-dalàna, ka vonona hiatrika na hatao fitaovana aza ny mpitandro filaminana, ny fitsarana,… Ny sabotsy izao no hifampiarahaba tratry ny taona ny RMDM ka andrasana ny fanambarana manaraka.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT