Politique

Fidiran’ny mpitarika ho parlemantera Miahiahy ny mpitolona tsotra


  • Talata 25 Oktobra 2011


 Mahagaga hoy ny andiana mpitolona tsotra tafaresaka fohy mialohan’ny fotoana teny amin’ny kianjan’i Magro Behoririka tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo iny, fa misy mpitari-tolona eny an-toerana mahasahy milaza, na dia atao hoe somary resaka kivazivazy ihany aza no nitondrany azy, fa hoe : « na dia ho tafiditra parlemantera aza izy ireo dia mbola hanohy amin’ny fanaovana kabary eny an-kianja ihany ». Mampiahiahy ihany izany teny izany, hoy izy ireo, satria matoa mitohy ny tolona sy fandraisam-pitenena an-kianja dia mbola misy zavatra tsy azo araka ny nitolomana ao izany ka tsy maintsy hijoroana hatramin’ny farany, fa tsy hoe rehefa mahazo ranondranony kely ianao dia hisisika hanara-drenirano koa.

Tsy misy valaka amin’ny an’ireo mpamadika nandeha nialoha ireo ihany izany fihetsika izany, hoy ireto olon-tsotra mpitolona ireto, fa nilokaloka ireo fa ao anatiny ao no afaka hahavita zavatra amin’ny famerenana an’i Dada eto an-tanindrazana nefa tsy hita izay teo fa nivadika hatramin’ny lelany aza rehefa nisotro ny ranon’Ambohitsorohitra izy ireo. Fa ny dindon’ireto tsy mivadi-belirano nanaiky hiditra nanao sonia kosa no nampiova avy hatrany ny fihetsiky ny iraisam-pirenena vetivety teo. Nahateny maherihery niaraka mihitsy moa ireto olon-tsotra ireto hoe : rehefa ho any dia mazotoa miara-misôsy fa avelao ny eto hitaky ny zony fa misy mahavita mitarika foana eo : « vitanay io ary ho amin’ny metimety kokoa aza amin’izay ».

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT