Fidinana eny amin’ny 13 may rahampitso

Mihantsy sy mikasa hamboly rombo ny volomboasary…


  • Zoma 03 Novambra 2023

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely no efa nanambaran’ny Firaisankinan’ny kandida,

fa eny amin’ny kianjan’ny 13 may no fotoana ho an’ny rahampitso sabotsy 04 novambra 2023. Tsy miova ny tanjona dia ny fanovana an’i Madagasikara miainga amin’ny famerenana ny Fanjakana tan-dalàna, famerenana ny fiandrianam-pirenena, fanoherana ny fifidianana amboletra sy fitakiana fifidianana madio, fanovana ireo rafitra ara-pifidianana tahaka ny HCC, CENI, fa indrindra ny governemanta. Efa izay no baikom-pitolomana nambaran’ny Firaisankinan’ny kandida, dia ny tsy maintsy hidirana ao amin’io Kianja manan-tantara ao amin’ny 13 may io, izay teo no nanovana tantara, ary mbola eo no hanovana ny tantara amin’ity, hoy ny Firaisankinan’ny kandida tamin’ny alalan’i Hajo Andrianainarivelo. Tampoka teo anefa, niparitaka nanomboka omaly hariva ny serasera fa hanao diabe na « carnaval » eto Antananarivo ihany koa ny TGV na ny volomboasary ny sabotsy izao manomboka amin’ny 10 ora maraina. Rond point Antanimena, Kianja Barea Mahamasina, ary ny Rond Point Antsahabe no voalaza fa hiaingan’izany. Ireo toerana ireo izay azo lazaina ho vavalanana na kihon-dàlana hidirana an’Anakely sy ny Kianjan’ny 13 may avokoa. Fifandrifian-javatra ihany ve izany sa fihantsiana sy fikasana hampifandona ny vahoaka? Mampanahy ny fihetsiky ny volomboasary, izay toa mamboly fifandonana, mamerina indray ny fihantsiana efa fanaony, mba hoentina mihetraketraka ny vahoaka izay mandeha am-pilaminana. Iray volana omaly no nanombohan’ny hetsika, saingy tsy mbola nisy na atody iray aza vaky, araka ny firesak’ireo kandida. Nezahina nokorontanina, nandefasana olona miakanjo volomboasary nigafy, tahaka ny teny Ampasapito ny 13 oktobra, ny teny Andavamamba ny 17 oktobra nisian’ny fanakanana fiara, fanimbana ny fiaran’ireo kandida, fitorahana tamin’ny tavoahangy feno amany,... Vitavita ho azy avokoa ireny? Ny teny antsefantsefany teny, dia mbola ny fisiana andiana volomboasary mihantsy ady tahaka ny teny Ampasampito sy Ambohimahitsy ny alatsinainy teo,… Sady miziriziry eo anatrehan’ny raharaham-pirenena izay tena tafiditra anaty krizy lalina ka ireo rafitra rehetra niantso fanelanelanana toa hanaovana bemarenina, ary izao indray izy toa mandrisika ny olony hirombo sy mamboly vahoaka hiady an-trano? Mbola mendrika ny hitondra sy afaka tena hitandro ny firaisam-pirenena araka ny andininy faha-45 amin’ny lalàmpanorenana ve?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT