Fidinana eny amin’ny 13 may

Mikorapaka mafy ny governemanta


  • Alakamisy 02 Novambra 2023

Mikorapaka mafy eo anatrehan’ny fanambaran’ny Firaisankinan’ny kandida hiditra eny amin’ny Kianjanan’ny 13 May

amin’ny sabotsy izao ny governemanta ankehitriny. Tsy niandry ny andro anio, fa tao anatin’ny andron’ny omaly 01 novambra, izay andro fiasana no nirotsaka ny fanambarana, fa manameloka tanteraka ny fikasana, izay nambara fanakorontanana sy fidirana an-keriny. Manao antso avo ny Governemanta amin’ny fandraisan’andraikitry ny rehetra mba hiaro ny fiandrianan’ny vahoaka malagasy hifidy izay hitondra ny firenena sy ny fenitra demokratika. Miantso ny mpisehatra rehetra amin’ny fifidianana, indrindra ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara, mba hanohy ny fanohanana ny fikarakarana ny fifidianana, ho fanajana ny tetiandrom-pifidianana araka ny lalampanorenana, hoy io fanambarana io. Nambara fa hetsika tsy ahazoana làlana ny fikasana ho eny amin’ny 13 may ka nilazana fa efa nisy ny fandrarana navoakan’ny Prefektioran’Antananarivo, ka nilazana fa fihantsiana ny mbola fikasana ho eny. Taiza ary oviana tokoa moa no nisy nangataka ho eny amin’ny kianjan’ny 13 may ka nomena alalana ? Basy hatrany no narangaranga teny, saingy raha ny tantara hatramin’izay dia tsy naharo ny fitondrana niezaka nampiasa hery izany. Tsara ihany koa no mampahatsiahy ny tantara, fa tsy hitan’ny karatra ary tsy hitan’ny tabilao teo amin’ny sehatry ny politika ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta ankehitriny raha tsy nisy ny tolon’ny13 may notarihin’ny depiote 73 tamin’ny 2018. Tsy hitan’ny karatra I Andry Rajoelina fa nijanona teo amin’ny ben’ny tanàna, raha tsy nisy ny fidinana an-dalambe teny amin’ny 13 may tamin’ny 2009, ary niaraha-nahita fa maro ny fahapotehana, fandrobana, fandorana,… tamin’izany kanefa ny amin’izao tsy misy zavatra mipika. Napetraka ho kianjan’ny demokrasia teo Ambohijatovo fa aiza izy izao? Efa lasa zaridaina aza mbola ambenana basy! Rehefa ny volomboasary no midina an-dalambe mandoro sy mandroba ary mamotika firenena dia voromanga fa rehefa ny kandida maro an’isa no mijoro miady hisian’ny fifidianana madio, famerenana ny fanjakana tan-dalàna, fanovana ireo rafitra mitanila,… ao anatin’ny hetsika milamina tsy misy fahapotehan-javatra dia vorondolo?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT