Fidinana an-dalambe tao Imeritsiatosika

« Leo ny Malagasy, tsy rariny intsony, mialà ! »


  • Alakamisy 18 Septambra 2025

Niafara teny an-dalambe ny fihetsiketsehana saika hatao

tamin’ny toerana malalaka fampiadiana akoho tao Imeritsiatosika noho ny sakana nataon’ny emmo-reg. Fihetsiketsehana tsy nisy fangatahana alalana, ary tsy nahazoana alalana, ka tsy maintsy sakanana, hoy ny Lehiben’ny distrikan’Arivonimamo Rojo Razafindralambo izay manam-pahefana sivily nitarika ireo « force de l’ordre » sady lehiben’ny OMC (Organe Mixte de Conception). Tsy nahomby ny fifampiresahana teo amin’ireo depiote FIVOI sy ny andaniny, ka nomen’ny mpitarika toromarika hizotra ny RN1 aloha ireo vahoaka. Nanaraka avy hatrany ny Emmo-reg, izay niditra an-tsehatra nisintona ny tamin-kery « banderole » teny amin’ireo mpanao fihetsiketsehana, mbola nitohy saingy nafana ny fifampisintonana. «Miala ny chef distrikan’Arivonimamo », « Leo delestazy » ny sora-baventy narantirantin’ireo mpanao fihetsiketsehana. Teny antenantenany no nitsofoka ny depioten’Arivonimamo Antoine Rajerison. « Manjaka tateraka ny hery famoretana ! Mitondra ny feo sy hetahetam-bahoaka amin’ny maha solombavambahoaka ! Iarahantsika mahita ny fampahoriana sy ny jaly mahazo antsika, hatramin’ny zo fototra izay tetibola tokony hampandrosoana ny tanàna sakanana », hoy ity farany. Nanamafy ny fitakiana ny fialan’ny lehiben’ny distrika ny lehiben’ny distrika ho fanetriben’ny tany. « Efa nanao fangatahana am-pahendrena, efa nandefa taratasy tamin’ny novambra, nampahatsiahivana ny desambra, fa tsy noraharahiana mihitsy izany ! Rehefa tsy nanao izany dia tsy « engager » ny CIAD-nay (Crédit d’Investissement à l’Appui au Développement). Aty amin’ny 2025 dia mbola averina ohatr’izany ihany, rehefa nangataka sy nanao hetsika izahay vao nikoropaka tamin’ny zoma hoe : havoaka ilay izy ! », hoy hatrany ny depiote Antoine Rajerison. Alao, hoy izy, izay tompon’andraikitra tsy mahavita ny asany, fa potika ny Firenena. Fiampangana hafa nataony ny filazana fa io lehiben’ny distrika io dia nanao hosoka karapanondro maro be tamin’ny tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna, ka tsy izy sy tsy mety. Na fambolen-kazo angatahanay alalana amin’io laviny, ka tsy misy zavatra mandeha, vato misakana ho an’ny fampandrosoana, esory fa tsy mila an’io izahay, alefaso any an-toeran-kafa, na aza omena toerana intsony, hoy hatrany ity farany. Nambarany fa ny 75% amin’ny ben’ny tanàna miaraka amin’ny depiote roalahy no efa nanasonia, fa tsy ekena, ary tsy mety ny ataon’io, manitsoka ny raharaha, vato misakana ho an’ny fampandrosoana, kanefa solontenam-panjakana.

NAMELY NY FANJAKANA FOIBE
Tsy nitsitsy ity depiote ity nilaza fa tsy rariny, tsy mety intsony izao, be loatra ny zavatra tsy mandeha eto amin’ny tany sy ny Firenena. Mijaly ny vahoaka ! Tapaka lava ny jiro, tsy mandeha intsony ny fihariana, mitaraina ny olona. Raha mijoro manoloana izany, dia sesefana vava basy ! « Leo tanteraka izahay raha izao no ataonareo, tsy mety intsony, tsy ekena intsony, tsy misy ny demokrasia eto Madagasikara, fa famoretana, ka hampatonga saina ny rehetra, fa mijoro izahay mitarika ny vahoaka, mila mijoroa koa isika rehetra fa tsy faly mamporisika fotsiny, fa mila mijoro isika rehetra », hoy Rajerison Antoine. Ny volam-panjakana laniana amin’ny zavatra tsy misy dikany : Sekoly manara-penitra tsy manara-penitra, kianja manara-penitra tsy « homologué », teleferika lasa toy ny manège fa tsy mamokatra,… ka aza atao izany ny volam-bahoaka fa tsy volan’ny mpitondra, ataovy amin’ny zavatra tsy mamokatra, tsy mety ary tsy rariny izao. Sao adinareo fa ny 80% amin’ny mponina mahantra, 70% amin’ny tanora tsy an’asa, 60% amin’ny ankizy miala an-daharana any an-tsekoly,… hoy hatrany i Antoine Rajerison. Ho tonga hatraiza sy hiafara amin’ny inona ny fitakiana sy fitarihana vahoaka an-dalambe ataony ? Izy izay nilaza fa kasaina hosamborina ny tenany ary natao savahao ny tranony…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT