Politique

Fidinana an-dalambe Iray no voasambotra teny Analakely omaly


  • Alakamisy 01 Jona 2023

Vao maraina omaly 31 may 2023 dia efa tsara ambina ny teny Analakely sy ny manodidina indrindra teo amin’ny “Parvis” sy ny teo amin’ny kianjan’Ambohijatovo noho

ny nilazan-dRtoa Doris Rakoto Samuel fa hitarika olona hidina an-dalambe eny amin’ny Kianjan’i 13 mey. Nigadona teny an-toerana tokoa ny tenany sy ireo namaly ny antsony tokony ho tamin’ny 10 ora maraina, nilanja sainam-pirenena. Niditra teny an-kianja, saingy nampitandrina ny hisambotra ny mpitandro ny filaminana raha minia hijanona satria nambara fa hetsika tsy nahazoana alalana. Nangataka ny hanapariahana ireo olona ny pitandro filaminana izay ny Lehiben’ny Fari-piadidian’ny Zandarimaria Antananarivo na ny CIRGN mihitsy no niditra an-tsehatra. Nanome baiko ny hipariahana, ka nilaza nilaza hoe: “fisamborana na “arrestation” no mahazo anao raha mbola manohy eo”, nafana ny fifandaharana sy fifamaliana. Niala teo amin’ny Parvis, saingy nanohy nanao hetsika nihodidina ny zaridaina ireo mpanao fihetsiketsehana, ka teo no nandeha ny fisamborana an’I Nambinina Raherimampianina avy amin’ny Vovonana Gasy Leo. Nanamafy moa I Doris Rakoto Samuel fa mitaky ny famerenana ny hasin’ny kianjan’ny 13 mey, ary tsy hihemotra. Nilaza fa tsy tonga hiady amin’ny zandary, tonga haneho ny maha olom-pirenena, hanao fanambarana fa misokatra ho an’ny vahoaka ity kianja ity. “Tsy nekena ny fanehoan-kevitra notanterahina teto amin’ny 13 mey, tafiditra teo, ary tafapetraka ny saina. Tsy hijanona aho, aza andevozina ny Malagasy, fahafahana miteny sisa no tadiavinay, omeo anay ny kianjan’i 13 mey”, hoy ity farany, izay niantso ny mpitandro filaminana izay avy amin’ny vahoaka ka hiverina amin’ny vahoaka fa tsy hanompo vondron’olona, mba hihaino ny feon’ny fieritreretana. Voalaza hatramin’ny omaly hariva fa notanana any amin’ny zandarimaria I Nambinina Raherimampianina. Tao amin’ny tambajotran-tserasera kosa no nilazan’I Doris Rakoto Samuel hoe: “Teny voalohany aloha dia mitaky ny famoahana an'i Nambinina Gasy Leo, niezaka nanontany izahay fa tsy mbola fantatray izay misy azy hatramin'izao. Ho an'ny EMMOREG, fantatro fa asa fa tsy izahay no fahavalonareo, miady ho anareo koa izahay, miady ho an'ny fianakavianareo, ny ho avin'ny zanakareo, miady ho an'ny famerenana ny hasin'ity Madagasikara ity, ataon'ireo lehibe manome baiko anareo hampihimamba. Ho antsika vahoaka Malagasy, mitsangana. Ho an'ny ho avinao sy ny taranakao”.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT