Politique

Fibodoana ny tanin’ny TIKO Hiady hatramin’ny farany Ravalomanana


  • Alarobia 04 Novambra 2015

Eo am-pandrafetana ny antontan-taratasy rehetra momba ny tanin’ny labatoara etsy Andohatapenaka mialoha ny hametrahana ny fitoriana eny amin’ny fitsarana ny mpisolovava ny orinasa Tiko.Omaly dia mbola nanamafy Atoa Marc Ravalomanana araka ny nambaran’ireo mpiara-miasa akaiky aminy fa an’ny Tiko AGRI io tany io ary tsy hilefitra izy fa hiady hatramin’ny farany satria tsy rariny ny fibodoana fananan’olona ataon’ny fanjakana.

 

Misy fifandraisana amin’ny « iles éparses » ?

Mbola tsy nahenoam-peo mihintsy hatreto ny filohampirenena mahakasika ireo raharaha mafampàna izay mbola mitana ny sain ‘ny mpanara-baovao. Toa nitsaitsaika koa izy raha nody  teto an-tanindrazana avy namita iraka tany ivelany, ka izany rehetra izany dia mampametra-panotaniana hoe : inona marina no zava-misy ? Fahanginan’olon-kendry ve ?Fialana andraikitra ve ? Sa mbola tsy hita izay ho  avaly ny mpanao gazety amin’ny raharaha « Andohatapenaka » sy ny « iles Eparses » ?  Misy hifandraisany ary ve, ny raharaha  Andohatapenaka sy ny iles Eparses hoy ny fanotaniana  apetraky ny maro ? Sao dia takalon’ny fahazoana vola be ny fanakanana ny fisokafan’ny orinasa Tiko mba tsy hifaninana amin’ireo orinasam-bazaha hafa efa misy eto.Ka izay no nahatonga ny masoivoho Frantsay  nisora-tena ho mena ambonin’ny mena manoloana ny vahoaka Malagasy ka nilaza fa an’ny Frantsay ny « iles Eparses »  izay aty amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara fa tsy an’ny amin’ny ranomasina atlantika na mediteranée tsy  akory . Andrasana ny fanazavana misimisy kokoa ny amin’ny hoe : avy aiza marina ny vola hananganana ny fotodrafitrasa vaovao etsy amin’ny tanin’ny Tiko Andohatapenaka izay bodoin’ny fanjakana. Mbola manitikitika ny saina ihany koa hoe, nisy tolo-bidy mazava ve ny nahazoan’ny SEIMAD hanangana an’io fotodrafitrasa io sa natao resaka akamakama toy ny mahazatra.Ary aiza ihany koa ny fahazoan-dalana handrava satria hatry ny omaly dia mbola nandravarava teny Andohatapenaka ny bildôzera.


 

RTT

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT