Taorian’ny fehezanteny niezinezina nataon’ny filoham-pirenena frantsay, Emmanuel Macron,
ny taona 2019, manao hoe “Ici c’est la France!” na hoe “Mbola Frantsa eto!”, raha nandalo tao amin’ny Nosy sambatra na “Iles Glorieuses” dia mitohy ny fanehoan-kerin’ny frantsay mikasika izay resaka fibodoana ireo nosy manodidina izay. Nampahafantarina ny fitoizan’ny drafitrasa ho fampandrosoana ny fikarohana ao amin’ireo nosy manodidina an’i Madagasikara, araka ny drafitra voasoratra voalohany na “feuille de route” ho an’ny taom-piasana 2022-2026. Hiaraha-mitantan’ireo tany frantsay manamorona ireo nosy na “terres australes et antarctiques françaises” sy ny minisitera frantsay momba ny fampianarana ambony sy fikarohana izany, raha ny fampitam-baovao voaray. Tanjona, hoy ny minisitra frantsay delege misahana izany, Philippe Vigier, ny hanandratana ny fikarohana frantsay. Ireo nosy manodidina, hoy izy, dia mamokatra tanjaka tsy manam-paharoa ho an’ny fampandrosoana ny fikarohana amin’ny lafiny maro ary misandrahaka amina velaran-tany midadasika. Eo, hoy izy, ny maha zava-dehibe ny tahiry ara-boajanahary ao amin’ireo nosy izay tena ivontoerana filamatra amin’ny resaka fikarohana miaina. Hatramin’ny fanjanahantany, raha tsiahivina, no teo ambany fitantanan’ny fitondrana frantsay ireo nosy manodidina an’i Madagasikara ary azo lazaina ho tsy nitsahatra ny nitaky ny hamerenana izany moa ny firenena malagasy. Ny novambra 2019 no nisy fihaonana farany teo amin’ireo komity iombonana frantsay sy malagasy nidinika momba ny tokony ho marimaritra iraisana eo amin’ny firenena 2 tonta ny amin’ny hitantanana ireto nosy ireto saingy nangina tanteraka moa ankehitriny ny tohiny ary nanakombom-bava ny filoham-pirenena malagasy; hoy ny antoko politika Teza, na dia nitetateta nilaza aza tamin’izany fotoana izany fa tsy maintsy tafaverina amin’ny malagasy ireo nosy manodidina ireo.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.