Politique

Fibodoan’i Frantsa ny «Iles Eparses» Tsy sahy mikofoka ny fanjakana Malagasy


  • Alakamisy 29 Oktobra 2015

Efa nisy ny tolokevitry ny fivoriamben’ny Firenena mikambana tamin’ny taona 1979 ary nohavaozina ny taona 1980 mampirisika an’i Frantsa hifampiraharaha haingana amin’i Madagasikara mikasika ny famerenana ny «îles Eparses».

 

 Ny mahagaga amin’ity raharaha manga ity dia tsy niresaka mihitsy momba azy io ireo mpitondra fanjakana Malagasy nifandimby tao anatin’ny 15 taona farany rehefa mandray fitenenana manoloana ny pilopitran’ny ONU. Tranga iray mitovy amin’io moa ny nampifanolana ny nosy Maorisy tamin’ny frantsay mikasika ny «Tromelin» izay niafara tamin’ny fitantanana ara-toekarena iombonana eo amin’ny firenena roa tonta ny taona 2010 saingy mijanona ho nosy frantsay izy io. Paikady izay tadiavin’ny reny malala hapetraka ihany koa amin’ny fitantanana ireo nosy kely efatra Les Glorieuses, Europa, Bassas da India ary Juan de Nova voalaza fa an’ny Malagasy. Izay angamba no nahaloa-bava ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery nilaza ilay hoe «fiaraha-mitantana amin’ny fitrandrahana ireo nosy mba hifampizarana ireo tombontsoa amin’ny firenena roa tonta».

Tombontsoa maro lafy

Tombontsoa maro lafy no mahatonga an’i Frantsa mibodo mafy ny «îles Eparses». Eo aloha ny paikady mifototra amin’ny lafiny ara-tafika. Manaraka ao ny tombontsoa ara-toekarena raha tsy ilaza afa-tsy ny tontolon’ny jono. Ny tena goavana amin’izy rehetra kosa dia ny fahafantarana ireo harena tsy hita pesipesenina ao ambany ranomasina indrindra ny solitany izay vinavinaina ahitana solika sy entona amin’ny barika an’arivony tapitrisa.

Politika imperialista

Mibaribary ny politika imperialista frantsay amin’ny fanitsahany ny lalàna iraisampirenena miaraka amin’ny fanosihoseny ny fiandrianampirenena Malagasy. Eo ambany fiahian’ny «Terres Australes et Antarctiques Françaises» moa ireo nosy efatra Malagasy miparitaka hatramin’ny taona 2005. Namoaka didim-pitondrana fanomezana tolo-bidy iraisampirenena amin’ireo etona sy solitany ao amin’ny nosy Juan de Nova ihany koa ny fitondram-panjakana frantsay tamin’ny volana desambra 2008. Nomen’ny minisiteran’ny Angovo sy ny Ekolojia frantsay ho an’ny orinasa nigerianina Sapetro sy amerikanina Marex Petroleum mpitrandraka solika ny volana septambra 2015 teo kosa ny fahazoan-dalana mitrandraka io faritra io hatramin’ny faran’ny taona 2018 ho takalon’ny vola mitentina 75 tapitrisa euros naloan’izy ireo. Efa kaompania mpitrandraka solika miisa 21 rahateo no miasa efa am-polony taona eto amin’ny lakan-dranonin’i Mozambika.

Ramano F.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT