Politique

Fiatrehana ny fifidianana Ho sahirana amin'ny maha vazaha taratasy azy Rajoelina


  • Talata 22 Aogositra 2023

Tsy hoe adino ilay "8 sentimetatra" , nolazain'ny filoha Rajoelina fa taratasy kely ao am-paosiny, fa tena mbola arahan'ny mpanara-baovao maso akaiky dia akaiky.

Iza no mpitsara ho sahy hanasonia ny "Certificat de nationalité malagasy" omena an'i Andry Rajoelina, kanefa ilay andininy faha 42 ao amin'ny lalàna mahakasika ny fizakana ny zom-pirenena Malagasy dia manambara fa very avy hatrany ny zom-pirenena maha malagasy vantany vao mangataka hahazo zom-pirenena hafa ny olona iray. Ka eo ny adihevitra ankehitriny : ilay Filoha ambara fa lohalaharana anin'ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena no teratany vahiny; tsy misy hoe adihevitra sy fifanasana vangy atao lava be fa mazava io : vahiny no Filoham-pirenena am-perinasa eto. Betsaka ny fitarainana re hoy i Rivo Rakotovao, tao amina fahitalavitra iray omaly, ny amin'ny tsindry bokotra na fanerena mpitsara mba hanasonia ilay taratasy manamarina fa Malagasy ingahy Filoha. Aoka ny tombotsoa ambonin'ny firenena no atao ambony, hoy izy ary notsindriany mafy tsy misy Madagasikara ho entina vahiny izany eto e.Andao isika hijoro ary hiray hina hiaro ny fiandrianam-pirenena, hoy ity lohandohan'ny mpisorona ao amin'ny antoko HVM ity. Tsara ho marihina fa efa nisy fitoriana karazany roa emy amin'ny fitsarana momba ity zom-pirenen'ny Filoha ity : eny amin'ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy sy napetraka eny amin'ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) Ambohidahy.Hanao ahoana ny mety ho fanapahan-kevitry ny fitsarana ? Miandry fatratra izany ny rehetra satria hisokatra afaka andro vitsy ny fahafahana mametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho an'ireo kandida Filoha, ary raha kandida i Andry Rajoelina dia mila mametra-pialana fara fahatarany amin'ny 9 septambra 2023.
TSY TOKONY HO VITAVITA MORA FOANA
Hita ho sarotsarotra ny raharaha ho an'i Andry Rajoelina satria izy efa niaiky fa tena manana karapanondro frantsay ary noho ny fianaran-janany no nanaovany izany. Efa tena safidy izany ny azy fa tsy hoe noterena izy, firifiry anefa ny olona mampiana-janaka any eoropa na etazonia fa tsy misy an'izany hoe tay maintsy maka ny zom-pirenen'ilay firenena ianaran-janany .Fa nahoana no hoe tsy maintsy nanao an'io i Andry Rajoelina ? Tsy ny mpanao politika irery no liana sy manara-maso ity resaka zom-pirenena ity fa tena ireo herivelona rehetra eto amin'ny tany sy ny fanjakana, indrindra fa ireo mpahay lalàna. Raharaham-pirenena, mahakasika ny fiandrianam-pirenena io ka tsy azo avelavela handeha fotsiny amin'izao, hoy ny raim-pianakaviana iray, ka aminy dia tsy tokony manana zo ho kandida intsony izany Andry Rajoelina izany ary tokony henjehina ara-pitsarana noho ny famadihana tanindrazana mihitsy aza.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT