Politique

Fiatrehana ny fifidianana Hitety ireo sekoly ambony ny CENI


  • Talata 13 Desambra 2022

Ankoatra ny fandefasana iraka mitety tokantrano mandray ny anaran’ireo feno 18 taona rehetra hiditra anaty lisi-pifidianana hahafahany mandray anjara amin’ny fifidianana hotontosaina amin’ny taona 2023

ho avy io dia fantatra fa hitety ireo sekoly ambony ihany koa ny CENI na ny vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana ato ho ato. Efa nisy ihany koa hoy ny filohany ny fikasana hitety ireo orinasa afaka haba misy eto amintsika teo aloha teo saingy noho ny fahitan’ny sasany izany ho zavatra hafa dia naato ilay fikasana. Ny tanjona mantsy hoy izy dia mba ho voasoratra anaty lisi-pifidianana avokoa ny rehetra ka samy hahatoky ny tsirairay fa tsy misy intsony ny doublon ary vokatry ny safidin’ny Malagasy izay filoham-pirenena ho lany eo. Ezaka hatao hamafana ny ahiahian’ny olom-pirenena avokoa izany rehetra izany hoy hatrany ny filohan’ny CENI ka tokony samy hiezaka ny tsirairay. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia anisan’ny antony mahakamo ny olom-pirenena handray anjara amin’ny fifidianana ny fisian’ny doublon izay tsy takona nafenina teo aloha, ny fisian’ny olona efa maty mbola mahazo kara-pifidianana ihany, ny fananan’ny sasany karapanondro miisa 2….Nomarihin’ny filohan’ny CENI Atoa Dama Andrianarisedo moa fa ny hamafana izany sy hanavaozana ny fomba fiasa no tena antom-pisiany sy ireo mpiara-miasa aminy mba ho avy handatsa-bato avokoa ny rehetra amin’ny fifidianana hotontosaina amin’ny taona 2023 ho avy io.
Pati
Legende : Atoa Dama Andrianarisedo, filohan’ny CENI
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT