Politique

Fiaramanidina ATR42 Hogiazana hanonerana ny trosan’ny TIKO ?


  • Talata 15 Desambra 2015

Mitady ny hirika rehetra hamotehana ny fananan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny mpitondra ankehitriny

 

. Taorian’ny nampanapahana ny Jirama ny jiro tao amin’ny orinasa Tiko Andranomanelatra Antsirabe dia mitodika eny Ivato eny indray izao ny resaka. Voizina be indray mantsy izao fa dia halain’ny fitondrana ilay fiaramanidina ATR 42 an’ny kaompania Tiko Air, izay fananan’i Marc Ravalomanana. Ny antony, raha ny resaka alefa ihany, dia hanoneran’ny Tiko ny trosan’ny Fanjakana aminy. Talohan’izao, dia noterena hiala tao anaty « hangar » nitoerany ilay fiaramanidina ATR 42, fa nomena hampiasan’ilay kaompania vaovao Madagasikara Airways ny toerana.

Resabe moa ny momba io trosa io, ary tsy vao izao fa efa hatramin’ny tetezamita no natao litania. Tsy voafaritra mazava ny tena sandany. Rehefa mitaky ny hanaovana fampitahana ny kaonty indray ny Tiko dia mihodinkodina ny fitondrana. Raha noraofin’ny mpanongam-panjakana ny fananan’ny Tiko tamin’ny 2009, toy ny vary, lafarinina, varimbazaha ana hetsiny taonina miampy menaka tao amin’ny Port Toamasina ankoatra ireo vokatra azo avy amin’ny ronono dia nambara ho antony tamin’izany fa ananan’ny fanjakana vola ny Tiko ka izay no nakana an’ireo entana ireo, ary ny filoha ankehitriny no mpitarika ny « Cellule opérationnelle » nitantana ny famoahana sy ny fitsinjarana ny entana nalaina mba tsy hilazana fa norobaina tamin’izany. Etsy an-daniny, ny Tiko dia anisan’ireo orinasa potika tamin’ny 2009 misitraka ny fanonerana ny fahavoazana faritan’ny tondrozotra, azony handoavana ny trosa tokony haloany amin’ny fanjakana. Marc Ravalomanana etsy an-kilan’izay dia efa nanambara fa vonona ny handoa raha misy trosa tokony haloan’ny Tiko. Eo no mipetraka ny fanontaniana hoe inona no mbola mampisisika ny Fanjakana haka ny fiaramanidin’ny Tiko Air raha izay no izy ?

Rabri

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT