Tena ity ilay hoe : izay rehetra aleha toa maneno akoho avokoa.
Olana ny fandriampahalemana, maro no manao sakafo amabny foitra, mihena ny taham-pahafahana fanadinana, mikorontana ny fiarahamonina, alika avy no efa misy manolona amin’ny alina. Raha somary nangina sy adinodino dia nipongatra indray ny vaky fasana, isan’andro tsy maintsy mahare vaovao foana hoe mpisoloky atsy, mpisoloky aroa. Efa tena zava-doza fa reny niteraka izao no mahavita manary ny zanany, miaramila am-perinasa no anaty tambazotra mpaka an-keriny, manampahefana heverina fa hitondra ny teniny vahoaka no mamoaka vava hoe rehefa tsy mahaloa ilay TVA 20% dia aza mindram-bola any amin’ny banky. Niainga tany am-piandohana, efa ho 3 taona lasa izay nolazaina fa vitaina mialohan’ny faran’ny taonany 80 km voalohany amin’ilay Autoroute, avy eo hoe 25 km indray no ho vitaina, izao lazaina fa 8 km no rakofana tara ary atao vita mialohan’ny fivorian’ny SADC ny tapaky ny volana aogositra. Ny resaka fahapoizinana sy fanapoizinana ara-tsakafo moa dia efa lasa lohahevitra fanampin-tsakafo isan’andro. Maro ny zavatra mbola manjavozavo fa dia terena tsotra izao hanaiky ny vaovao ofisialy ny vahoaka, izany hoe tsy tokony hanadihady intsony ve izany ny mpanao gazety fa dia ho lazaina ihany koa hoe mpanakorontana ny filaminam-bahoaka ? Tsy maintsy manaiky ny zava-misy ve izany ny vahoaka, izay sokajiana hoe efa sahirana ny 82%. Ao anatin’izany rehetra izany tsikaritra ihany ny efa tsy fifankazahoana eo amin’ny samy mpiaradia amin’ny filoha, tena tonga amin’ilay fotmba fitenenana hoe : misy manangana sekta. Vao miha mamparefo ny fitantanana ny firenena izany satria na ny mpinamana hatrizay aza dia lasa mifampiahiahy. Ampy izay , hoy ilay filoham-pirenena teo aloha. Eny ampy tokoa fa inona ary izany no vahaolana amin’izao toerana misy an’i Madagasikara izao ? Tsy misy mantsy ny fahagagana, tsy misy hahavita samirery ny fanarenana ihany koa.Mazava ve fa tsy maintsy mifampiresaka, mikaon-doha, manao fihaonambem-pirenena, izay anarana iantsoana azy mety foana fa ny zava-dehibe dia hoe : mila mikaroka vahaolana sy fomba fiasa ary mifanaraka fa tsy hanao kitoatan-javatra intsony eto amin’ity firenena ityfa tena hiasa sy hanao izay hampivoatra ny fiainana amin’izay. (Sary fanehoana)
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.