Politique

Fiarahamonina Malagasy Ambivitra ny faharavany


  • Alatsinainy 16 Aprily 2018

Tolona efa nolalovan’ny fiarahamonina Malagasy daholo ny nitranga nanomboka ny taona 1947 ka hatreo amin’ny taona 2009. Nazava tamin’ireny fotoana ireny ireo mpifanandrina nivantana toy ny hoe ny Frantsay sy Malagasy, ny Arema sy ny TIM na koa hoe TGV sy TIM. Raha ny zava-misy ankehitriny kosa dia fantatra fa samy tsy mahazaka ny fidangan’ny vidim-piainana sy ny fahasahiranana intsony ny Malagasy.

 

Lalaovin’ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny fampiakarana sy fampidinana ny vidin-tsolika ny fiainam-bahoaka. Tsy mahita vahaolana afa-tsy ny famonoana ny tantsaha amin’ny alalan’ny fanomezana tsena ireo vary any an-dafy koa ireo minisitera tomponandraikitra. Na dia hezahana takonana aza dia hita miharihary sy tsapan’ny vahoaka ny fiantraikan’ny tsy filaminan’ny « jiro sy rano Malagasy ». Ireo mpitatitra moa io manambana hampiakatra ny saran-dalana ho 700 ariary be izao io afaka andro vitsivitsy. Manoloana izany rehetra izany anefa dia vahaolana famonoana afo hatrany no hitan’ny fitondrana, toy ny hoe aza ampiakarina fa omena ihany ny vatsy. Aorian’ny fampanantenana anefa dia ireny niaraha-nahita hatramin’izay ireny fa mbola mitohy amin’ny familafilana aloha ny raharaha ary miafara amin’ny fanomezana ilay vahaolana amin’ny ampahany fa tsy manontolo. Vokatr’izany dia efa hita ho ambivitry ny faharavany tanteraka ny fiarahamonina malagasy ary an-kavitsiana sisa, raha misy, ireo mahay mifamelona fa efa lasa fiarahamonin’ny fifanambakana sy fifamonoana am-pitoerana no mitranga. Fitsaram-bahoaka, fisilokiana, asan-dahalo sy ny sisa miha mirongatra daholo. Atsy ho atsy ve izany, sanatria, ho maro ny mpiray vodirindrina hifampaka fananana an-keriny sy tsy hifampirahara intsony na hisy ho faty sy velona aza? Ny hamisavisana ny ratsy hiavian’ny soa.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT