Politique

Fiarahamonim-pirenena Mba misy mihaino ihany ve ?


  • Alarobia 10 Jolay 2019

Marobe ny fitakiana fahamarinana mikasika ny fifidianana teto Madagasikara efa nalefa teny anivon’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC ary tsy vao izao fa saika isak’izay

 

 

misy fifidianana eto amin’ny firenena. Taorian’ny taona 2009 no tena hita ho saika tsy mitsahatra fa miteny foana sy mitanisa ireny tsy fahatomombanana ireny ireo fiarahamonim-pirenena. Nitsangana daholo ity karazana rafi-piarahamonim-pirenena ity ary tsy sasatry ny manao atrikasa sy fikaonan-doha ary mamoaka fehin-kevitra anaty boky be an-jatony pejy avy eo saingy hatreto aloha, tsy hita izay voka-tsoany tamin’izay fivoaran’ny tontolom-pifidianana eto amin’ny izay, indrindra moa, fa teo amin’ny lafiny fampandrosoana. Rahampitso izao dia hamoaka fehin-kevitra indray ny avy eo anivon’ny sampana fanaraha-maso ny fifidianana na Safidy saingy ny fanontaniana mipetraka ankehitriny kosa dia hoe hitondra inona indray re ? Moa va mba misy mihaino ihany ny fiarahamonim-pirenena eto Madagasikara sa tena miresaka amin’ny hazo sanatria ?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT