Politique

Fiarahamonim-pirenena hiatrika fifidianana “Vonona izahay raha ny olona no lazaina”


  • Talata 31 Janoary 2023

Fikambanana miisa 16 anaty fiarahamonim-pirenena miantsehatra amin’ny fifidianana no nanao fanambarana

miaraka tetsy Ampefiloha fa nahazo fankatoavana avy amin’ny CENI foibe izy ireo ka manolotra fisaorana ireo olompirenena rehetra nisoratra anarana tamin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana. Isaoranay etoana, hoy izy ireo, ny CLRE, ireo mpanisa mpifidy, sefo fokontany, ratsa-mangaikan’ny CENI manerana ny nosy tamin’ny fiaraha-miasa nandritry ny fanentanana sy fanaraha-maso nataonay teny ifotony. Eto am-pamaranana dia manantitrantitra ny antso fanentanana ny olompirenena izay mbola tsy nisoratra anarana anaty lisitra izahay mba hanatona haingana ny biraom-pokontany misy ny fonenany miaraka amin’ny karapanondrom-pirenena hanatanteraka izany satria zonao ny ho voasoratra anarana anaty lisitry ny mpifidy ka aza ny hafa no avela hisitraka izany, hoy hatrany izy ireo. Tsy misy ny tonga lafatra fa hitanay kosa fa niezaka be ny CENI. Tsy mora na dia ny nanadio io lisitry ny mpifidy io aza. Vonona ny hanamafy ny fiaraha-miasanay amin’ny CENI noho izany izahay, hoy izy ireo. Vonona izahay, raha ny olona no lazaina, fa ny ara-pitaovana dia mbola manao antsoavo ireo malala-tanana izahay, izay afaka manohana anay. Tsy maintsy misy ny fifidianana. Mino izahay, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
Legende: Ny solontenan’ireo fiarahamonim-pirenena miisa 16
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT