Fiarahamonim-pirenena handrafitra ny HCDDED

Nanomboka omaly ny fametrahana antotan-taratasy


  • Alakamisy 21 Martsa 2024

Ho tohin’ny fivoriamben’ny fiarahamonim-pirenena ny 16 martsa 2024 lasa teo,

izay nifidianana ireo mpikambana anatin’ny Komity iombonana na «Comité Ad’hoc» hanomana ny fifidianana ny solontenan’ny fiarahamonim-pirenena eo anivon’ny HCDDED na Filankevitra ambony momba ny tany tan-dalàna sy zon’olombelona, izay nanomboka niasa ny alatsinainy teo nandrafitra ny Birao sy fitsipika anatiny, ny talata no nandrafetana ny zotram-pifidianana,toy izao manaraka izao, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Ny 20 martsa hatramin’ny 25 martsa 2024 no fametrahana ny antontan-taratasy ho an’ny kandida hirotsaka ho fidiana. Ny 26 martsa 2024 no fanokafana ny antontan-taratasy voaray na «dépouillement». Ny 27 martsa 2024 no famoahana ny lisitry ny kandida sy ny lisitry ny mpifidy. Ny 03 Aprily 2024 no fifidianana. Ho an’ny kandida dia mila sary tapaka, bileta laharana faha 3 eo anivon’ny fitsarana, fanamarinam-ponenana, kara-panondrom-pirenena, ny mombamomba na CV, taratasy fanamarinana fahavononana na “Lettre de motivation”. Ho an’ny fikambanana mpanolotra kosa dia ilaina ny fitsipim-pifehezana na “statut de l’association ou ONG», taratasy fanamarinana ny fitsanganan’ilay rafitra na “récépissé de l'Association ou ONG”, fanomezam-pahefana voasonian’ny iray amin’ny birao na «mandat dumant signé par un membre de bureau nationale de l'entité”. Ho an’ny mpifidy dia ilaina ny fanomezam-pahefana voasonian’ny iray amin’ny birao na “mandat dument signé par un membre du bureau Nationale de l'entité inscrit dans la liste des électeurs retenues.”. Entanina isika rehetra mba hanaraka hatrany ny fizarana vaovao ao anaty ny rohim-pifandraisana sy ny haino vaky jery, hoy hatrany ireo komity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT