Politique

Fiaraha-mitantana ireo nosy manodidina Fivarotan-tanindrazana, hoy ny Teza


  • Alakamisy 25 Jolay 2019

Voizina amin’ny haino aman-jery frantsay indray ankehitriny taorian’ny hetsika notarihin’ny mpanao politika frantsay Marine Le Pen fa an’ny frantsay ireo nosy manodidina an’i Madagasikara na ny nosy Eparsa.

 

 

 Averina, hoy ny antoko politika Teza, fa nisy foto-kevitra napetraky ny firenena mikambana milaza fa tsy maintsy hajaina ny fiandrianan’ireo firenena voazanaka taloha. Nosy kely manodidina an’i Madagasikara ireo. Ao i Europa, Juan de Nova, Bassas da India sy Iles Glorieuse ary Tromelin, hoy ny filohan’ny antoko, Jean Louis Rakotoamboa. Ny lalàna na « loi d’annexion » nivoaka ny 6 aogositra 1896 dia fantatry ny frantsay fa tafiditra ao anatin’ny Madagasikara voazanaka ireo. Ny 1 aprily 1960 dia nesorin’ny frantsay tsy ho ao anatin’i Madagasikara, izany hoe, nosamahany ireo nosy ireo. Nisy avy eo ny fangatahantsika tamin’ny ONU mba hanampiany antsika hamerina ireo nosy ireo. Nisy adihevitra mikasika ny lalàna momba izany tao amin’ny ONU ary nanapahany indray fa antsika ireo nosy ireo ary nibaiko ny frantsay hamerina ireo nosy ireo izy. Tsy misy ilana ny fiaraha-mitantana, araka izany, fa famerenana ambongadiny ireo nosy ireo amin’ny Malagasy no tokony hisy. Fivarotan-tanindrazana ny fiaraha-mitantana, hoy hatrany izy.

J. Mirija

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT