Politique

Fiaraha-miasa sy fampiasam-bola Mijery paikady hafa hanampiana an’i Madagasikara ny Eoropeanina


  • Alatsinainy 17 Jolay 2023

Manao fitsidihana eto Madagasikara mandritra ny roa andro eto Madagasikara dia anio 17 sy rahampitso 18 jolay ny Filoha lefitry ny Banky Eoropeanina momba ny fampiasam-bola na BEI Atoa Ambroise Fayolle.

Hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ireo rafitra mpiara-miombon’antoka aminy na miankina na tsy miankina amin’ny Fanjakana. Isan’ireo tompon’andraikitra ambony voalaza fa handray azy ny Filohan’ny Repoblika, mpikamban’ny governemanta, Delegasionin’ny Vondrona Eoropeanina ary ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena amin’i Madagasikara samihafa. Isan’ny horesahana ao anatin’izany ny tontolon’ny famatsiam-bolan’ny BEI aty Afrika sy ny fandaharan’asa manome lanja kokoa ny tontolon’ny toetr’andro. Araka ny fampahafantaran’ny BEI hatrany, hanokatra ireo herijikam-piaraha-miasa akaiky sy ireo fampiasam-bola stratejika vaovao izay hanampy ny tanjon’ny fampandrosoana ny firenena io. Efa nisy ny fanambarana nialoha nataon’io Tompon’andraikitra avy amin’ny BEI io amin’ny hisian’ny fanohanana mafonja avy amin’ny BEI hoan’iireo mpampiasa vola avy amin’ny sehatra tsy miankina eo amin’ny tontolon’ny fambolena. Nambara fa hitondra vokatra miabo eo amin’ny fanjarian-tsakafo eto amin’ny firenena io. Mandritra io fotoana io ihany koa no hanehoan’i Ambroise Fayolle hanehoana ny fivoarana eo amin’ny fanatanterahana ny tetikasa momba ny famatsiana herinaratra eny ambanivohitra, izay natomboka tamin’ity taona ity. Amin’ity tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny BEI ity, fotoana lehibe hanamafisana ny fiaraha-miasan’io Banky io amin’i Madagasikara izao mba hanatrarana ny fanambin’ny fampiasam-bola sy hanohanana ny fampandrosoana lovain-jafy sy fanarenana ny takaitran’ny krizy. Ny BEI moa no namatsy vola ny tetikasa fanaovana fotodrafitrasa tahaka ny sehatry ny rano, ny fitaterana, ny fitaterana, ny fanavaozana ny làlam-pirenena RN6 sy ny RN13. Nanomboka ny taona 1970, eo amin’ny 904 tapitrisa euros ny tombam-bidin’ny fampiasam-bola maharitra teo amin’ny sehatra tsy miankina nataon’ny BEI teto Madagasikara. Raha atao moa ny salan’isa, dia 17 tapitrisa dolara isan-taona eo izany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT