Fiara raitran'ny sinoa, fanomezana maro

Inona marina no tena tambiny sy takalony?


  • Alakamisy 17 Jolay 2025

Nanaovana lanonam-panjakana teny Iavoloha omaly 16 jolay

ny fandraisana ireo fiara Hongqi izay hitondra ireo Filoham-pirenena mandritra ny andiany faha - 45 ny fihaonana an-tampon'ny SADC ny volana aogositra ho avy izao. Asa hoe lasa asana Filoham-pirenena ny mandray bus sy fiara raitra fa toa lasa fanao io? Navoitran'ny Fanjakana fa vokatry ny fiaraha-miasa mahomby eo amin’ny Repoblika Entim-bahoakan'i Sina sy ny Repoblikan'i Madagasikara. Ireo fiara ireo izay nambara fa hanamafy ny lafiny fampitaovana sy handray anjara amin'ny fandraisana mendrika ireo Filoham-panjakana sy Governemanta andrasana eto Madagasikara. "Porofon'ny fanohanana sy ny fiaraha-miasa mahomby eo amin'ny Firenena roa tonta. Fiara izay nitondrana ireo Filoham-panjakana nandritra ny fihaonana Chine-Afrique natao tany Chine. Raha naniry ny hoe sao mba afaka hitondrana ireo Filoham-panjakana sy governemanta mandritra ny fihaonambe faha-15 eo anivon'ny SADC dia nahazo valiny mahafa-po sy haingana avy amin'ny Repoblika entim-bahoakan'i Chine", hoy i Andry Rajoelina. Nanamafy ity farany fa voninahitra lehibe ho an'ny Firenena ny fampiantranoana ny fihaonamben'ny SADC, ka karakaraina am-pireharehana sy am-pahavononana. Hanehoana ny fahaiza-manao, ary herijika lehibe ara-diplaomatika, toekarena, fa indrindra ny hanehoana an'i Madagasikara aty amin'ny Faritra misy antsika. Tombanana ho eo amin'ny 60 000euros na 306 000 000Ar ny iray, izany hoe manodidina ny 4,9 miliara Ar izany ny iray. Nialohan'io ny bus elektrika 12 mitombam-bidy eo amin'ny 2,5 miliara Ar ny iray ary bus mandeha gazoala miisa 30 eo amin'ny 250 tapitrisa Ar ny iray. Avy amin'ny sinoa ihany koa ireo ary 312 eo aza ny bus izay mandeha gazoala no betsaka voalaza fa ho an'i Madagasikara. Ireo bus lazaina fa hampanaovina fitaterana ka iza no handraharaha amin'izany? Tena zavatra hahomby sy haharitra sa sehoseho ivelany ? Momba ireo fiara vao noraisina omaly, hisy mangaraha ve aorian'ny fihaonan'ny SADC hoe: Iza no hampiasa azy? Sa ho toy ny tamin'ny fotoan'ny coronavirus ka Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy ohatra nilaza tamin'izany fa tsy novidiana ireo fiara maro be nampiady hevitra kanefa i Andry Rajoelina nilaza fa novidiana ?
INONA MARINA NO TAKALONY ?
Ankoatra izay, inona no tambiny eo anatrehan'ny fanomezana samihafa avy amin'ny sinoa ? Inona no takalony fa tsy misy zavatra mandehandeha ho azy? Tsy tongatonga ho azy ny nandefasana ireo governora maromaro niofana tany Chine nefa fiofanana azo atao eto ary tena ao amin'ny tandrifin'andraikitry ny Minisiteran'ny fanajariana ny tany ? Ny harena an-kibon'ny tany no isan'ny tsiriritin'ny sinoa eto, ary efa zava-nitranga teto ny hoe: ny "engins" an'ny Fanjakana no nofaina nanaovana fitrandrahana tsy ara-dalana ka nanagadrana ny governoran'i Betsiboka teo aloha, tao anatin'izao Fitondrana izao, rehefa nangotraka ny ampamoaka tsy afa nosarontsaronana intsony. Tany amin'ny tetezamita dia tsaroana tsara ny raharaha Wisco, nitrandrahana vy tany Soalala niarahana tamin'ny sinoa. Nisy ampamoaka nataona mpahay toekarena fa 200 tapitrisa dolara ny vola azon'ny Fanjakana, fa 100 tapitrisa dolara ihany no nanaovana fanambarana,... Dia asa indray izay hiseho ato ho ato fa betsaka ny zavatra tsy nangarahara hatrizay ka lojika raha mitohy ny ahiahy?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT