Olona 3 no maty tsy tra-drano ary 13 kosa naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho tany Morondava amin’iny lalam-pirenena faha-35 iny ny sabotsy 27 jolay lasa teo.
Fiara “mini-bus” marika Mazda nitondra mpilalao baolina kitra ho any Ankilizato no tra-doza rehefa nisy olana teo amin’ny tsindry hisatra teo amin’ny fidinana teo amin’ny tanànan’i Beranomaso. Tsy tana ny fiara fa nivadibadika sy potipotika tanteraka ka namoizana ain’olona sy naharatrana maro be. Nifamonjena nentina tao amin’ny hopitaly Betéla any an-toerana ireo naratra, ka ny 10 mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly, raha ny vaovao azo. Nisy moa ny loharanom-baovao hafa nilaza fa miisa 22 ireo olona mbola tsaboina. Raha mitombina io dia mety nihoatra ny tokony ho izy ny olona nentin’ilay fiara. Irariana mba ho sitrana soa aman-tsara avokoa ireo naratra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.