Politique

Fiantsoana ny CT sy CST hivory “Tsy ho voahaja sahady ny tondrozotra”, hoy i Fetison Rakoto Andrianirina


  • Alatsinainy 17 Oktobra 2011

Vita sonia iny ny fepetra lasitra hampiharana ny tondrozotra. Nifanaiky ny vondrona politika Malagasy rehetra, teo anatrehan’ny sehatra iraisam-pirenena tamin’ny alalan’ny Troika, hanatanteraka izany. Ankehitriny dia nampiantso ny Kongresy sy Filankevitra ambonin’ny tetezamita ny Fahefana avon’ny tetezamita. Miteraka adihevitra be ny amin’io. Manana ny heviny Atoa Fetison Rakoto Andrianirina raha tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana .

 Tia Tanindrazana (TT) : Lasa iny ny Troïka. Naverina eo am-pelatanan’ny Malagasy indray ny fampiharana ny tondrozotra. Inona no azonao lazaina ?

Fetison Rakoto Andrianirina (FRA) : Faly aho aloha fa na dia tsy mahay mifanaraka eo amin’ny samy mpanao politika aza ny Malagasy, rehefa noteren’ny Troïka, dia afaka miroso ihany amin’ny famahana ny olana eto amintsika isika na dia izay aza no anjara andraikitra noraisin’ny Antso “Paix des Braves”. Maro anefa ny zavatra tsy mbola mazava ary mila jerena haingana mba tsy hahavery izay efa nekena indray.

 

TT : Inona ohatra araka ny hevitrao ?

FRA : Ankoatra ireo fitsinjarana ny andraikitra eo amin’ireo rafitra rehetra dia zavatra roa lehibe no tokony ho nasongadina, mba hialana amin’ny mety ho savorovoro hateraky ny tsy fitoviam-pijerin’ny samy mpanao politika. Tokony horavana ny rafitry ny Fitondrana avon’ny tetezamita, izay efa tsy nankatoavina hatramin’izay, hahafahana mametraka ny rafitry ny tetezamita. Ary mba tsy hisian’ny fifanjevoana, dia tsara raha nasiam-panazavana koa ny fifandraisana, raha misy, eo amin’ny tondrozotra sy ny lalàmpanorenana farany teo.

 

TT : Ny Fitondrana amin’izao fotoana izao tokoa dia mbola mifahatra amin’io lalàmpanorenana io satria mbola mampiantso fivoriana ara-potoan’ny Rafitra mpanao lalàna amin’ny Talata ho avy izao. Tsy mifanohitra ve izany ?

FRA : Ny fanaovan-tsonia ny tondrozotra dia fanekena fa iny fifanarahana iny izany no hitondrana sy hifampifehezana mandritra ny tetezamita. Ary voamarin’ny drafitra fampiharana ny tondrozotra izany satria rehefa tafapetraka ny rafitra mpanao lalàna, mialoha ny 17 novambra 2011, dia ny fivoriana voalohany hataony dia ny fankatoavana an’izany fifanarahana izany sy ny famadihana azy ho lalàna. Tsy manan-kery noho izany ny lalàmpanorenana tamin’ny taona 2010.

 

TT : Inona indray no mety hitranga raha toa ka mbola hisy izany fivorian’ny CST sy ny CT izany ?

FRA : Nisy ny fifanekena noraisin’ireo vondrona politika fa hanaja antsakany sy andavany ny voalazan’ny tondrozotra izy ireo. Ny famelàna an’ireo rafitra roa izay tsy mbola ankatoavina ireo hivory sy hanapa-kevitra dia midika fa mbola mandeha ila ihany Atoa Rajoelina amin’ny famahana ny olana eto Madagasikara. Mazava ho azy fa tsy ho voahaja sahady ny fampiharana ny tondrozotra ary dia tsy ho azo indray ny fankataovana iraisam-pirenena. Tsy hisy izany ny fanampiana ara-bola sy ara-pitaovana azo andrasana.

 

TT : Inona izany izao no tokony hatao araka ny hevitrao ho fampiharana an’io tondrozotra io ?

FRA : Raha izaho manokana aloha dia mihevitra aho fa any amin’Atoa Rajoelina ny fanalahidin’ny fampiharana ny tondrozotra. Efa nomena azy ny fahefana hanao izany kanefa dia toa mihodinkodina fotsiny izy. Tokony hijoro amin’izay ho Raimandreny izy ka handray ny andraikiny. Azony atao amin’izay ny mangataka ny anaran’ireo izay azo aroso hofidiana ho Praiminisitra ka hanajany ny andininy faha-5 ao amin’ny tondrozotra. Kanefa moa efa napetraka teo amin’ny Troika ny fanampiana antsika amin’ny famahana ny olana, dia tsy misy tokony hampisalasala ny fangalana ny hevitry ny Troïka ny amin’izay anaran’izay ho Praiminisitra raha toa ka manaja marina na tsia ny andininy faha-5 voalaza teo.

 

TT : Dia aiza izany ilay fifampiresahana eo amin’ny samy Malagasy ?

FRA : Ny mahamaika ange izao dia ny fanendrena an’izay ho Praiminisitra iraisana sy iombonana. Rehefa izany dia azo atao tsara ny manohy fifampidinihina eo amin’ny samy Malagasy eo ambany fiahian’ny Filohan’ny tetezamita amin’ny fametrahana ny mpikambana ao amin’ny governemanta sy ny rafitra mpanao lalàna. Rehefa tsy hahavita an’izany izy dia mihevitra izahay fa tsy mendrika azy ilay fahefana nomena azy.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT